MPITORITENY 3.1–22 F. 6

MIFAMAHOFAHO

Zava-mitranga mifanohitra. Mitanisa fisehoan- javatra tsiroaroa eto i Mpitoriteny dia zavatra roa loha mifanohitra hatrany manomboka aminny fahaterahana sy ny fahafatesana izany, izany hoe ny fiandohanny fiainana sy ny fihafarany ary izay zavatra hafa maro miseho eo anelanelan’izany fotoana izany na ny androm-pahavelomanny olona (1-8). Ireo no mahatonga ilay fitenintsika hoe: toy ny kodiaran-tsarety ny fiainana ka mifandimby ambony sy ambany. Tantely amam-bahona ihany koa.

FandaminanAndriamanitra. Ireo  zava- mitranga rehetra ireo  anefa  na  dia  misy vokatry ny fisasaranny olona aza dia tena fandaminanAndriamanitra ihany koa (11a). Mikatsaka mafy izay hampilamina ny  fiainany ny olombelona ary miezaka manafoana ireo tsy fahombiazana samihafa, saingy misy hatrany ireny ary tsy maintsy sedrainy. Efa napetrak’ Andriamanitra ao anatinny olona mihitsy  aza ny faniriana ho velona mandrakizay,  ary  izany no antonny fisasarany rehetra eto amboninny tany, saingy tsy takatry ny sainy mihitsy koa ny planinAndriamanitra    hatraminny    voalohany ka hatraminny farany  (11b).  Ny  hany  azony atao hampifaly azy dia ny mihinana sy misotro ary finaritra  aminny vokatry ny fisasarany.  Ireo rehetra ireo dia mbola fandaminan’ Andriamanitra ihany koa (13).

FahefanAndriamanitra.

- ApetrakAndriamanitra aminny toerany avy ny zavatra rehetra ary atrangany aminny fotoana tiany hisehoany ihany koa. Ny fandehanny fiainanny olona tsy azony ampiana na hanalana (14a).

- Samy hotsarainAndriamanitra avokoa ny olona rehetra araka izay niainany tety an-tany: ny marina sy ny meloka (17).

- Nisy hatrany ny faharatsiana ka na taminny fotoana tokony ho nanaovana ny marina aza dia niseho ireo faharatsiana ireo.

Izay azo antoka. Andriamanitra dia tsy maintsy hitsara ka hamaly ny ratsy fanahy ary hamaly soa ny marina aminny fotoany (Romana 2.5-11).