MPITORITENY 2.12-26 F. 6

MBOLA ZAVA-POANA

Ny fahendrena. Mitohy hatrany ny fandinihan’i Mpitoriteny  ny  fiainana  ka  ahatsapany   fa   na ny fahendrenny olona aza dia toa mbola zava- poana ihany koa. Ahoana no mahatonga izany? Ekeny ihany aloha fa tsara  ny  fahendrena  noho ny fahadalana (13a), toy ny  fahatsaranny mazava oharina aminny maizina (13b),  saingy ny fihafaran’izy roa tonta ireo dia tena mitovy tanteraka. Samy ho faty ihany izy roa ary samy ho adino ny fahatsiarovana azy (16).

Ny fisasarana. Tena mahatsiaro tena ho nisahirana mafy i Solomona aminny maha Mpanjaka azy namory fananana be dia be, nanao ny ainy tsy ho zavatra kanefa rehefa nieritreritra kely izy hoe hoan’iza moa ireo nisasarany rehetra ireo rehefa tsy eo intsony izy? Hoan’izay handimby azy! (18) Ka ho olon-kendry ve sa ho adala io handimby azy io?(19) Satria izy nisasatra mafy taminny fahendrena. Dia hoy izy hoe : ”Hitodika amin’ny famoizam-po sy ny fahakiviana aho” (20).

Avy aminAndriamanitra ny fahasambaranny olona. Eto i Solomona vao milaza fa ny fahasambaranny olona dia tsy avy aiza fa avy aminAndriamanitra tokana ihany. Ny  mihinana sy misotro ary  mifaly  aminny  fisasaranny tanany (24), izany no hany mitondra fifaliana hoanny olona  kanefa  izany  dia  fanomezana avy aminAndriamanitra. Ny fisasarana  rehetra ivelanAndriamanitra dia zava-poana avokoa. Ny olona ankasitrahanAndriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana (26).

Ny harenny mpanota. AsainAndriamanitra manangona harena ny mpanota mba hotehirizina hoanny marina (26). Efa voasoratra tao aminny bokinny Ohabolana ihany koa izany manao hoe: Fa ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny marina” (Ohabolana 13.22b). Fampaherezana hoantsika izany raha iharanny fanambakana sy ny tsy rariny isika.