MARKA 10.46–52 F. 4

FANTATRO IZY

Bartimeo jamba. Iza no olona hiantsoantso olona tsy fantany? Tsy misy izany, fa izay fantatra, eny, tena fantatra aza no azo antsoina aminny anarany. Noraranny olona i Bartimeo tsy hiantsoantso fa vao mainka nihamafy aza ny hikiakany niantso an’i Jesosy. Tsy ny anaran’i Jesosy ihany anefa no fantany fa ny maha Izy Azy mihitsy dia ny maha Mesia Azy ka niantsoany Azy hoe: ”Zanak’i Davida. Araka izany dia tena fantany tsara i Jesosy ilay afaka hanafaka azy amin’izay mangeja azy.

Jamba ara-nofo fa nahiratra ara-panahy. Izany no azo ilazana an’i Bartimeo eto ka ny masony fotsiny no tsy nahita an’i Jesosy fa ny fanahiny kosa nahafantatra Azy tsara. Tsy azo nosakanana tamin’izany izy ka tsy namelany  raha  tsy nijanona namaly azy i Jesosy. Tonga hatraminny fanasitranana ary nihafara taminny fanarahany Azy ho lasa mpianany.

Izay mangataka no mahazo. Hoy Jesosy nanontany an’i Bartimeo: ”Inona no tianao hataoko aminao”? Tsotra sady mazava ny valin-teniny: ”Ny mba hampahiratina ny masoko”(51). Hoy Jesosy: “Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra  niaraka  tamin’izay ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dàlana izy” (52). Ny fangatahana tsotra, vokatry ny fo ary atao aminny finoana no hahazoana valiny satria ankasitrahanAndriamanitra. Tahaka izany koa no nambaran’i Jesosy taminny tantara fanoharana iray nataony manao hoe: Fa ilay  mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra” (Lioka 18.13-14)