MARKA 10.32–45 F. 2

NY LALANA VOASORITRA

Ho famonjena izao tontolo izao. Efa nosoritanAndriamanitra mialoha ny fomba hanatanterahany ny famonjena izao tontolo izao. Efa voalaza tany aminny Genesisy 3.15 izany manao hoe: ”Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. Eto Jesosy no milaza fanintelony ny hahatanterahan’io faminaniana io. Ary marihiny tsara eto ireo olona hanatanteraka izany fanorotoroana tsy roa aman-tany izany dia ireo Lohanny Mpisorona sy Mpanora-dalàna. Fa ny vahoaka kosa haneso sy handatsa ary handrora ny tavany.

Miditra an’i Jerosalema. Efa fantatry ny mpianany fa any ireo fahavalon’i Jesosy kanefa dia Izy mihitsy no mialoha lalana azy rehetra hiakatra ho any. Izy ireo  manahy  sy  matahotra.  Nasehon’i  Jesosy  ny fahavononany hiatrika ny ady mafy tsy maintsy sedrainy. Izay tena tia an’i Jesosy dia tsy maintsy mandeha tahaka izay nandehanany koa. (1Jaona 2.6)

Fahefana sy voninahitra. Farafahakeliny ny iray amin’izy roa ireo fa ny tena katsahinny olona maro dia izy roa miaraka; izany no heverinny olona, indrindra ny tomponandraikitra, ho zava-dehibe eo aminny fiainany. Izany no asehonny fihetsik’i Jakoba sy Jaona eto. Saingy tena mifanohitra aminny fomba fijerinny olona ny fijerin’i Jesosy fa izay te ho lehibe, hoy Izy, na izay te ho ambony dia ho mpanomponny hafa rehetra (43).

Jesosy Kristy no modely. Omen’i Jesosy ny teny fanentanana tokony harahinny rehetra manao hoe: Fa ny Zanak’olona tsy tonga   mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (45). Modely tonga lafatra izany!