MALAKIA 2.1-17 F. 3, 5

MAMONO NY TSY FAHITSINA

 

Ozona fa tsy fitahiana. Ozona no hihatra aminny mpisorona satria ny fony tsy manaja ny Tompo aminny fahitsina (2). Tsy miafina aminny Tompo arak’izany ny tena hery manosika antsika aminny fanompoana. Hanome voninahitra Azy marina ve ny tanjontsika?

 

Mpisorona  tsy  nitoetra  taminny  antso  (1- 9). Modely ratsy no nasehonny mpisorona; tsy nampianatra ny TeninAndriamanitra izy ireo sady nivily tamin’izany ka nitaona ny rehetra ihany koa. Nizaha tavan’olona teo aminny fanaovana ny asany. Adinony ve sa tsy nataony ho zava-dehibe fa “irak’i Jehovah” izy ireo? Inona no hiandry azy ireo rehefa nandrava ny fanekena natao taminny taranak’i Levy? (9) Antsoina arak’izany ny mpitarika kristiana hahay hihaino ny Tompo, hanatontosana tsara ny asa aminny fo feno fankasitrahana, fankatovana ary fiderana Azy.

 

Tsy ankasitrahanny Tompo ny fisaoram-bady (10-17). Taminny andron’i Malakia dia  betsaka ny Isiraelita nisaotra ny vadiny iray firenena taminy ka nampakatra vehivavy hafa firenena izay mpanompo andriamaninkafa (Ireo  no nitarika azy ireo hijangajanga aminAndriamanitra Tompon’izao rehetra izao. Tena  loza!  Tena  loza io tsy fankatoavana ny fanekem-pihavanana voalohany  io  satria  maneho  tsy   firaharahiana ny Tompo izay vavolombelonny fanorenana tokatrano (Eksodosy 20.14). Masina arak’izany ny fanambadiana naorina teo anatrehanny Tompo. Inona avy ireo voambara famaizana hataonny Tompon’izao rehetra izao? Tsy hamaly vavaka ny

Tompo, halany ny fanatitra ateriny (13; Isaia 59.1- 2), hesorina tsy ho isanny olony ireo, tsy handray na inona na inona avy aminny Tompo ireo. Jesoa Kristy ZanakAndriamanitra ihany koa dia tsy nankasitraka io fomba ratsy io.

          

Fahamarinana : Fankatoavana anAndrimanitra ny fitiavana sy fanekena ny vady. (Genesisy      2.23-24).