MALAKIA 1.1-14 F. 1 ,2

RATSY NY MANADINO

 

Ny fitavan’ Andriamanitra. Manambara ny fitavany manokana ny Israelita Andriamanitra taminny  nifiadiany  azy  (2b-3;   Romana 9.6-16). Ny taranak’Israely na Jakoba no navahanAndriamanitra taminny firenena satria mpandova ny teny fikasana izay noraiketinny fanekem-pihavanana. NaverinAndriamanitra taminny Israely ihany koa ny fiiziany, ny tanindrazany, ny fanompoam-pivavahana rehefa nampodiny taminny fahababoana izy ireo. Indrisy tsy tsapany izany (2).

 

 

Impiry  tokoa  moa  isika  kristiana  no  toa  mametraka     fanontaniana     tahaka

 Ireo voamabara ireo rehefa sendra ny sarotra?

 

Tsy mahatsapa ny fitiavanAndriamanitra. Mampalahelo mihitsy ny fiainan’izy ireo rehefa tafaverina indray tany Jerosalema: adinony ny nandray ny andraikitra rehetra tokony natao. Variana taminny fiainany manokana ka tsy nahatsiaro ny fitondranny Tompo, Ilay Mpanjaka Lehibe (14.b). Tsy tsapan’izy ireo fa ny famaizana nanjo azy ireo dia fomba fampahatsiarovanny Tompo ny fitiavany ihany koa (Ohabolana 3.12). Ilay fomba fitondrana, fitaizana, ilay pedagojianny Tompo no tsy azonny Isiraely. Mba manao ahoana ihany koa re isika kristiana mpiray lova amini Kristy?

 

Fanompoam-pivavahana tsy mendrika ny Tompo. Raha Ray aho aiza izay hajako? Raha Tompo aho, aiza izay tahotra Ahy?”(6) Tsy nanome voninahitra ny Tompo izy ireo sady nanamavo ny Anarany taminny fahasahiana nanolotra fanatitra ratsy, misy kilema, nangalarina teo aminny alitarany. Sakafo tsy zarizary no nandotoana ny alitaran’i Jehovah. Ny mpanapaka no natahoran’izy ireo sy najainy mihoatra noho ny Tompon’izao rehetra izao. Soa fa fitiavana Andriamanitra ka nandefa an’i Malakia hiantso ny mpisorona mba hahatsiaro tena sy hifona eo anatrehanny Tompo (9).

 

 Tsarovy fa ankasitrahan’ny Tompo sy mampifaly Azy ny fanatitra tena vokatry ny fo feno fitiavana sy fanajana Azy.