JEREMIA 9.1-26 F. 6, 7

RANOMASON’NY MPANOMPONANDRIAMANITRA

 

Eto am-boalohany dia alaim-panahy handao ny fireneny Jeremia (1). Eny, noho ny habetsahanny faharatsiana dia te hiala amin’izany izy.

 

Alahelonny mpaminany.Tsy miraharaha anAndriamanitra ny vahoaka ary tsy mahay manavaka   ny tsara aminny ratsy, milentika hatrany aminny faharatsiana :  lela mandainga, hery avy aminny tsi-fahamarinana, tsy fahalalana anAndriamanitra, mamadika ny namany, mamitaka (2-5). Tsy izany koa ve no hitantsika eo aminny firenentsika ? Miteraka alahelo ao anatintsika koa ve ny fahitàna izany fiainana manao tsinontsinona anAndriamanitra izany ?

 

Miteraka zava-doza ny tsi-fahatahorana anAndriamanitra. Very hevitra izay mijery ny fahavoazana (9-10), ary manontany ny anton’izany (11). Rehefa tsy misy intsony ny fahatahorana anAndriamanitra dia ny  fandringanana  sy  ny loza no fitaovana ampiasainy mba hiverenanny olona aminny fibebahana (12-15). Saingy  maro no tsy mahatakatra izany fahamarinana izany eo anatrehanny tondran-drano, ny horohorontany, ny ady sy ny herisetra izay mitranga maneran- tany. Mitady antony ara-tsiansa hatrany ra- olombelona mba tsy hiheverana anAndriamanitra. Nefa ny fifandraisana ratsy aminAndriamanitra izay hitoerantsika no antonny loza sfahoriana voalohany indrindra !

 

Fahendrena (22-23). Voa-janahary ao anatinny olombelona ny mirehareha noho ny zava-bitany, na izay ananany sy ny fahombiazany, fa mampianatra antsika Andriamanitra fa ny tena fahendrena dia ny fahalalana Azy. Mba hamerenana ny fifandraisana aminAndriamanitra indray dia ilaina ny fanekena ny Teniny, mariky ny famoràna marina, dia ny famoràna ny fo (24).

 

Vavaka : Tompo o, omeo anay ny fahiratana hahatakatra ny hafatrao ao anatin’ny zava- mitranga eto amin’ity izao tontolo izao ho rava ity. Amena.