JAONA 9.35-41  F. 1, 5

TOMPO O, MINO AHO

Fanekem-pinoana. Nihaona manokana tamin’i Jesoa ity jamba nahiratra ity. Tamin’ny fihaonan’izy ireo no nanambaran’i Jesoa ny momba Azy : Izy Ilay Zanak’Andriamanitra (35). Rehefa avy nanao asa mahagaga dia ny fanasitranana ity lehilahy jamba ity ny Tompo Jesoa vao nanambara amin’izay ny Aminy ary dia mitondra finoana tokoa izany (37). Resy lahatra tanteraka ity lehilahy nahiratra, tsy noho ny fahagagana hita maso fotsiny, fa nino tsy niambahamba ny maha-Andriamanitra Mpamonjy an’i Jesoa ary dia nidera ny Tompo tamin’ny fiankohofana mihitsy izy (38). Tombontsoa roa sosona be izao no azony : sady voavonjy ara-panahy no sitrana ara-nofo !

Anton’ny dian’i Jesoa. Hahatanteraka ny faminanian’Isaia no natongavan’i Jesoa (Isaia 6.9). Tsy sanatria hanameloka an’izao tontolo izao no tanjony fa mba hamonjy kosa izao tontolo izao. Tonga jamba ireo Fariseo sy ny mpomba azy noho ny avonavona tao am-pony (39). Fahajambana ara-panahy no resahina eto. Toa mandeha am-piangonana ihany ny olona, mamonjy karazam-pivoriana ara-pivavahana, mamaky ny Baiboly… efa tsara fa tsy ampy anefa izany fa ny fankatoavana amin’ny finoana no tena hahitana fiainana. Ilay jamba tsy mahalala na inona na inona no nanehoana ny herin’Andriamanitra fa ireo milaza azy ho efa mahiratra, mahalala betsaka ny amin’ny fivavahana (41) kosa dia tsy nandray izany. Ny fanamarinan-tena dia sakana ho amin’ny fibebahana, nefa ny fibebahana no hahazoana famonjena sy hiainana ny fahasoavan’Andriamanitra.

Vavaka : Ampio aho Jesoa Tompo o, mba tsy hihevi-tena ho efa mahalala ka hanamarin-tena ; fa ampahirato ny masom-panahiko hahitako lalandava ny asa mahagaga ataonao sy ny voninahitrao, Amena !