ISAIA 62.1-12 F. 3, 4, 6

MITOMBO AMIN’NY VONINAHITRA

Niainga tamin’ny fibebahana. Mora miova sy mihataka mandrakariva amin’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely. Faizin’Andriamanitra izy ireo amin’izany. Mahatsiaro fangirifiriana noho ny famaizana dia mitaraina sy mifona amin’Andriamanitra indray. Raisin’Andriamanitra sy vonjeny rehefa mahatsiaro mibebaka. Izany no nitranga teo amin’ny 59.20 manao hoe : « Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah ». Tsy maintsy miainga amin’ny fibebahan’ny olona mandrakariva ny famonjen’Andriamanitra. Io no lalana sy vavahady voalohany indrindra ahafahana mifandray amin’Andriamanitra. Fa ny fitoerana amin’ny fahotana dia mampiafina ny tavany amintsika.

Mitohy amin’ny fanarenana. Rehefa nibebaka ny vahoaka Isiraely dia nohavaozin’Andriamanitra sy naoriny indray (toko 60). Tahaka ny zavatra iray izay simba na lo kanefa nohavaozina ho toy ny vaovao indray. Izany no asan’Andriamanitra amin’ny mpanota rehetra izay mibebaka. (jereo Jaona 8)

Mifarana amin’ny fampitomboana ny voninahitra: Izany no tantaraina sy hasongadina eto amin’ity toko faha 62 ity ka hilazana fa hamirapiratra tahaka ny mazava indray i Jerosalema. Ny anarany taloha hoe : « Nafoy » dia soloina hoe : « Ilay sitrako», ary ny taniny natao hoe : « Lao » dia hovana hoe : « Vady ampakarina ». Famerenan’Andriamanitra tanteraka an’i Jerosalema ho eo aminy ary tsy hisy handrombaka azy intsony. Hoy Jesoa : « ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako » (Jaona 10.28).

Fahamarinana. Mbola mitoetra ho marina ho ahy sy ianao koa izany fampanantenana izany raha miverina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana izaho sy ianao.