EZEKIELA 11.14-25 F.1,4

FAMPANANTENANA  FANARENANA

Ireo mponina tao Jerosalema. Hita avy tamin’ny teny navoakany ny toe-po feno avonavom-panahy tao amin’ireo mponina tafajanona tao Jerosalema : “ Manalavira an’i Jehovah ; izahay no nomena ity tany ity ho lova” (15); raha tsorina izay voalazany dia midìka hoe :”izahay ihany anie no notahian’i Jehovah e”. Moa va tsy mampahatsiaro ireo jiosy feno hambom-po izay nilaza hoe “Taranak’i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay…” (Jaona 8.33). Mora mahazo ny olona ny avonavom-panahy, hany ka mahatonga azy tsy mahatakatra izay fahamarinana tian’Andriamanitra ambara.

Ireo rahalahy lasa sesin-tany. Teny fikasana feno fampaherezana no azon’ireo lasa sesin-tany niaraka tamin’i Ezekiela : “ Ho fitoerana masina ho azy Aho…” (16) : hitoetra hiaraka aminy Jehovah. Ny hevi-dehibe mivoitra eo, dia ny fahitàna fa tsy voatery ny vatan-drindrina sy ny alitara no zava-dehibe, fa ny fanatrehan’ilay Andriamanitra tsy hita maso, na aiza na aiza misy ny olony. Hay moa ka any amin’ny tany fahababoana Jehovah no hanadio ny olony, ary hanome azy fanahy vaovao (18). Ny toerana sy tranga sarotra, ny zava-manahirana handalovan’ny zanak’Andriamanitra, dia azon’ny Tompo ampiasaina ho fanefena hampandroso ho amin’ny fahasoavana sy ny fitahiam-panahy.

Niala ny voninahitr’i Jehovah. Mampieritreritra ny zava-nitranga : rehefa ninia nandika ny didin’Andriamanitra ny vahoaka, inona no nitranga ?  Loza … niala tao ny Tompo !... Aza mba misy anie izany, ka sanatria ialan’ny Tompo isika noho ny fiziriziriana amin’ny fiainam-pahotàna. Mila mitodika miverina amin’Andriamanitra ny Malagasy (2 Tantara 7.14) !