FAHORIANA LEHIBE
Nivoaka ny didy ho fandringanana ny Jiosy. Natao kopia marobe izany ka ny olona rehetra manerana ny fanjakana dia nampahafantarina avokoa fa ho vonoina ny Jiosy rehetra (tanora, antitra, zaza amam-behivavy) (3.13, 14). Niteraka fahaverezan-kevitra hoan’ny rehetra izany (3.15).
Fisaonana. Ory dia ory ny Jiosy rehetra satria tandindomim-pahafatesana (2, 3). I Mordekay koa dia anisan’ireo naneho izany fisaonana (manambara fifonana, fanetren-tena,fitarainana ary fitadiavana ny tavan’Andriamanitra) izany. Nihoson-davenona izy ary nankeo am-bavahadin’ny mpanjaka mba hanairana an’i Estera izay tsy mahalala na inona na inona ao an-dapa. Tratrany ny tanjona. Afaka nifandray izy sy Estera. Faka tahaka i Mordekay : tsy miondrika ao anaty fahoriana fa mandroso mitady vahaolana.
Fiombonana. Fitsipika tsy azo dikaina ny hoe tsy misy mahazo miditra ao amin’ny mpanjaka raha tsy antsoiny. Na dia ny vadiny aza (11). Tsy maintsy hiditra ao amin’ny mpanjaka i Estera mba hifona sy hangataka famindrampo hoan’ny fireneny (8).Sarotra ! Mila an’Andriamanitra Ilay Mpandahatra hendry hiditra an-tsehatra izy ireo. Izy izay nametraka an’i Estera ho mpanjakavavy mba ho famonjena ny Jiosy (14). Niray fo nifady hanina sy hivavaka hoan’i Estera izy ireo (16).
Fampiharana : Tandindomin-doza ny firenentsika (hain-tany, fahantrana lalina, tanora potiky ny zava-mahadomelina, fanompoan-tsampy….). Afaka miombom-po tahaka izao ve ny Kristiana ? ka tsy ho zarazarain’ny anaram-piangonana ?
Fanoloran-tena. Nahazo hery i Estera rehefa nahatsapa ny fitantanan’Andriamanitra sy ny fiombonan’ireo mpiray firenena aminy. Nanolo-tena ho loharanom-pamonjena hoan’ny Jiosy izy na dia mety ho faty aza.
Antso : Jesoa koa dia nanaiky ho faty mba ho famonjena ahy sy ianao. Sambatra ianao raha manaiky Azy.