DEOTERONOMIA 28.1–14 F.1,2

FANKATOAVANA

 

Loharanom-pitahiana. Voatanisa amin’ny antsipiriany eto ireo fitahiana ho azon’ny olona raha mihaino tsara ny feon’Andriamanitra izy ka mitandrina hanaraka ny didin’Andriamanitra rehetra, izany hoe raha lazaina amin’ny teny tsotra: Mankatoa an’Andriamanitra. Io fankatoavana an’Andriamanitra io no loharanom-pitahiana: ao an-trano, any am-piasana, amin’ny asa atao rehetra, eny, amin’ny fiainana manontolo mihitsy. Tsy izany ve no tadiavin’ny olona rehetra sy iriny eo amin’ny fiainany ?

Fototry ny fahotana. Tsy azo hadinoina koa anefa fa vokatry ny tsy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra no nidiran’ny fahotana teo amin’ny fiainan’ny olombelona rehetra. Nanomboka tamin’izy mivady nohariana voalohany indrindra ary mitohy amin’ny olombelona mandraka ankehitriny. Ny fanarenana izany no ezaka mitohy tsy mitsahatra ilaina raha tiana ny hiaina miadana miaraka amin’Andriamanitra.

Fanirian’Andriamanitra. Ny hananan’ny olona fiadanana tanteraka no fanirian’Andriamanitra hatramin’ny nahariana izao tontolo izao. Maniry Izy ny hiverenan’ny olombelona rehetra amin’ny fankatoavana Azy indray ankehitriny ary ao amin’i Jesoa Kristy Zanany no ahafahantsika manao izany. Tsy mahay manao na inona na inona isika raha misaraka amin’i Jesoa (Jaona 15.5). Mianara mankatoa amin’ny lafin-javatra madinika indrindra eo amin’ny fiainanao; ohatra: ny Tenin’Andriamanitra, ny fananaran’ny ray aman-dreny ao an-trano, ny fandaminan’ny mpitondra fanjakana, ny fampianaran’ny ray aman-dreny am-panahy… Izany no ankasitrahan’Andriamanitra sy ahazoana fitahiana avy Aminy.