ASAN’NY APOSTOLY 27.13-26 F.6

MIATRIKA IREO SEDRA ENY AM-PANDEHANANA

Rivotra tsy voafehy nefa mifehy ny fiainana. Na dia niainga tamin’ny heverina fa fepetra tsara aza ilay sambo Aleksandria, dia tsy ela dia nahatratra azy ireo ny rivo-mahery Eorakylona (14). Nanao ny ezaka rehetra sy ny fahaiza-manao ny tao anaty sambo fa tsy voafehy izany. Very hevitra ny rehetra ka tonga hatramin’ny fanariana entana mba hanamaivanana ny sambo (19). Ny fiainantsika zanak’olombelona tokoa dia misy zavatra azontsika fehezina, fa misy tena tsy voafehintsika. Isika Malagasy moa dia manana oha-pitenena fa isika dia alahatra fa tsy mpandahatra. Ny marina dia misy ny hery hafa avy any ivelany izay tsy voafehinao mitondra ny fiainanao, eto rivotra no resahina. Raha ny Efesiana 6.12 dia mila iadivana ny fanahy ratsy, izay tsy vitanao irery ka ilanao mpanampy, miaraka amin’iza anefa no hiatrehanao izany?

Mijoro mampitodika ny olona amin’Andriamanitra Paoly. Mazava ny dingana tian’i Paoly ho tsapan’ny iray sambo, indrindra fa ny Kapitenin-tsambo : voalohany dia ny hahatsapany ny fahadisoany (21), manarak’izany dia nananatra izy mba hatoky azy ny rehetra, fa tsy hisy ho faty izy ireo raha mankato tsara izay ambarany (22). Fa Paoly koa nahazo fampanantenana, “Koa indro efa nomen’Andriamanitra anao ny olona rehetra miaraka aminao”. Tao anatin’ny fahaverezan-tsaina, fahakiviana no nijoroan’i Paoly hitondra izany fampanantenana izany. Tahak’izany koa isika eo amin’ny fiainantsika, nantsoina hitondra ny olona amin’ny fibebahana sy ny fanatonana an’Andriamanitra.

Antso : Mbola miteny aminao ny Tompo amin’ny alalan’ny “Tenin’Andriamanitra” izay feno Teny Fikasana ho anao sy ny ankohonanao. Aza manaiky hiady irery eo amin’ny fiainana, antsoy Jesosy ilay Kapiteny azo antoka hiara-dia aminao.