ASAN’NY APOSTOLY 24.1-9: FITSARANA AN’I PAOLY TEO ANATREHAN’I FELIKSA

Ireo mpiampanga. Toy ny tamin’ny fotoana nitsarana an’i Jesoa Kristy dia ireo mpitondra fivavahana jiosy ihany no manenjika an’i Paoly. Ananiasy mpisoronabe mihitsy no tonga avy any Jerosalema niaraka tamina mpisolovava iray antsoina hoe Tertylo. Raha fintinina dia fialonana vokatry ny fiitarana sy fiparitahan’ny fivavahana kristiana no antony tena anenjehan’ny mpitondra fivavahana sy ny Jiosy an’i Paoly (Asan’ny Apostoly 21.27-29).

Ny fiampangana. Mpampikomy ny jiosy, mpampisara-bazana, mpandoto tempoly : ireo telo ireo no fiampangana nentin’i Tertylo hanamelohana an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa. Nampikomy ny Jiosy satria nanaparitaka ny fampianaran’i Jesoa Kristy izay miantso ny olona hino sy hanatona an’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao fa tsy hijanona amin’ny fanatitry ny Testamenta taloha. Nampisara-bazana Paoly satria Lehiben’ny Nazarena na Kristiana (Asan’ny Apostoly 11.25) izay miantso an’i Jesoa ho mpanjakan’ny Jiosy ka noheverina fa manohitra an’i Kaisara, Amperora Romana (Lioka 23.2).

Mora fitahana ny vahoaka. Mpandoto tempoly kosa no fiampangana fahatelo satria nolazaina i Paoly fa nampiditra jentilisa tao ka nandoto ny tempolin’i Jerosalema. Na dia tsy marina aza izany (Asan’ny Apostoly 21.29) dia tsy nisy nanadihady sy namakafaka lalina ireo Jiosy rehetra nanatrika teo fa dia nanitrikitrika sy nanamafy izany ary manao rebik’ondry manameloka ny marina na dia tsy nahalala momba izany akory aza (9). Mora amin’ny olona tokoa ny manameloka na dia tsy namototra tsara aza.

Saintsaino : « Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy, ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo » 1Korintiana 13.4