2 TANTARA 28.1-15 F.2,5

 

TSY FANKATOAVANA NITERAKA FAMAIZANA

Nivaona tanteraka. Tsy tahaka an’i Davida razambeny na i Jotama rainy izay nanjaka teo alohany i Ahaza, fa tsy mba nanao izay mahitsy teo imason’ ny Tompo. Loza noho izany aza no nataony satria nanompo sampy izaitsizy izy. Ary na ny fandoroan-jaza teo amin’i Moloka izay efa nandraran’ Andriamanitra ny zanak’ Isiraely tsy atao aza dia mbola nataon’i Ahaza (Levitikosy 20.1-5) ihany koa. Nikambana hanafika ny firenena Joda i Peka mpanjakan’ Isiraely sy Retsina mpanjakan’i Syria (2 Mpanjaka 16:5-7, Isaia 7:1). Ary dia natolotr’ Andriamanitra teo an-tànan’i Peka I Ahaza, ary ny vahoaka kosa dia maro no lasa sambo-belona, babo tany Damasy. Ny fahafatesan'ny miaramilan’i Joda 120 000 sy sivily lasa takalon'aina 200 000 tamin' io ady tamin' i Israely sy Syria io, dia maneho fa tena fotoana maizina ho an’i Joda io. Ary azo adika ho famaizan’ Andriamanitra mivantana vokatry ny tsy fankatoavan’ i Ahaza.

Fanontaniana : Hatraiza ny fanekenao hankato an’Andriamanitra amin’ny lafi-piainanao rehetra?

Mbola misy ihany anefa ny te-hanaraka ny baikon’Andriamanitra. Tsara alain-tahaka ny toetran’i Obeda (9), izay nijoro ho mpilaza ny hafatr’Andriamanitra na dia tao anaty tranga manahirana aza. Niantso ny miaramilan’Isiraely  mba hamotsitra ny babon’i Joda izy (10-11). Valin-teny mahavariana no nomen’ ireo mpitarika ny Isiraely satria niaiky ny fahotany sy ny fahamelohana nataony ary dia nanaiky nikarakara ireo babo an'ady izy ireo ka nandefa azy niverina tany Joda (12-15). Mariky ny fombàn’ Andriamanitra an’i Obeda izany. 

Fampitandremana : Miomàna fa hamaly ny olona tsirairay araka ny asany avy Andriamanitra!