2 MPANJAKA 24.20b-25.12  F. 2, 7

TAPITRA ETO NY FAHALEOVAN-TENAN’I JODA

Nikomy tamin’i Nebokadnezara i Zedekia. Mitombina ny fihodinan’i Zedekia tamin’ny mpanjakan’i Babylona (24.20b), satria iza moa ny mpitondra fanjakana tsy haniry fahaleovan-tena ho an’ny fireneny ? Ananany ve anefa ny hery hanoherana an’ i Nebokadnezara ? Mbola tsy teo am-pelatanany ilay voasoratra ao amin’ny Lioka 14.31 manao hoe “Iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ny iray alina izy, na tsia ? Efa nifandray tamin’i Jeremia ihany Zedekia mba hangataka fanampiana tamin’Andriamanitra, saingy mazava ny valiny voarainy : tsy afaka haharesy an’i Nebokadnezara velively izy fa aleony mitolo-tena aminy mba hahavonjy ny ainy sy ny tanànany (Jeremia 38.17-18).

Diso fanapahan-kevitra Zedekia. Tsy nihaino ny mpaminany anefa Zedekia ka dia tonga i Nebokadnezara nanafika an’i Jerosalema (25.2, 3), ka dia lasa nandositra Zedekia (4), kanjo voasambotra dia nentina babo nankany Babylona (25.5-7). Nodoran’ny Kaldeana ny tanàna sy ny tranon’i Jehovah (25.8-9). Mitovy sy miverimberina ny tantaran’ny olombelona : hatramin’i Adama dia tsy mihaino firy an’Andriamanitra izy ka loza no vokatr’izany : fahafatesana ho an’i Adama sy ny taranany, fahalasànana ho babo na fahafatesana ho an’i Zedekia sy ny vahoakan’i Joda. Ny tena loza indrindra anefa dia ny hahazo izay mandà ny famonjena atolotry ny Zanak’Andriamanitra dia ny fahafatesana faharoa na ny fijaliana mandrakizay any amin’ny helo izany !

Mankaiza ary ianao ry zanak’olombelona? Tsy efa mibaribary ve, fa manimba ny lavitra ny Tompo, koa inona intsony no andrasanao hanatona Azy?