1 SAMOELA 8.1-22 F. 4

AMPY AHY VE IZY ?

          Te ho toy ny hafa  ve  ?  (1-9).  Mety  ho  maro no  antony  nahatonga  ny   Zanak’Isiraely   mba te hanana mpanjaka. Mety ho anisan’izany ny toetranny zanak’i Samoela izay tsy nanaraka ny fanaonny rainy (3, 5) ka nampiraviravy tànana azy ireo. Nefa azo heverina ihany koa fa noho ny fitsiriritana ny firenena manodidina izay nanana mpanjaka no naniriany hanana izany koa. Hany ka nohararaotiny natao ho antony ireo toetra ratsy nataonny zanak’i Samoela mba hahatongavany aminny tanjony ho toy ny firenena hafa manana mpanjaka. Toa tsikaritr’i Samoela izany hevi-dratsy izany satria fantany fa tsy sitrak’i Jehovah izany. Izay no nahatonga azy niala nenina nanontany ny Tompo. Ny olana anefa dia ny fitadiavana mpanjaka hafa dia midika fandavana an’i Jehovah (7).

          Dia hikiry biby ihany ve ? (10-22). Mbola niala nenina ny Tompo teto ka naniraka an’i Samoela hampahafantatra ny Zanak’Isiraely izany atao hoe mpanjaka sy ny vokatr’izany eo aminny fiaraha- monina. Na dia teo aza izany,  sy  ny  vokatry  ny tsy fiheverana afa-tsy izay masaka ao an-doha ihany ka tsy mandinika tsara, ary vokatry ny fitsiriritana ny hafa, dia nisesika ihany izy ireo ny

hitady mpanjaka. Lesona iray azo tsoahina eto ny vokatry ny fampitahana ny tena aminny hafa, sy ny fitsiriritana ny hafa izay mahatonga fivilian-dàlana.

          Ho  tsakotsakoina  :  …  Ampy  ho  anao  ny fahasoavako” (2Korontiana 12.9a)