1 SAMOELA 19. 1-24 F. 5

FAMONJENA INDROA MIANTOANA

 

Fitiavana sy fialonana. Tantara mitohy ny an’i Saoly sy Davida fa hatramin’ny fotoana nandresen’i Davida an’i Goliata ka nankalazan’ny olona azy ho nahafaty alinalina fa i Saoly kosa nahafaty arivoarivo (18.7) dia teraka tao am-pon’i Saoly ny fialonana. Nanomboka teo dia tsy nikatsaka afa-tsy ny hahafaty an’i Davida izy. Loza ihany rehefa tratran’ity areti-mandozan’ny fialonana ity! Mafy lavitra noho ny aretina ara-nofo rehetra! Fa tetsy ankilany kosa anefa i Jonatana izay zanak’i Saoly ihany dia tena nifankatia tamin’i Davida ka nanao izay fomba rehetra tsy hahatanteraka ny fikasan’ny rainy. Voalohany nilaza tamin’i Davida io fikasan’ny rainy io izy ka nampiomana azy hitsoaka amin’ny toerana azo antoka. (2) Faharoa, nilaza tamin-drainy ny zavatra tsara nataon’i Davida izy tamin’ny nahareseny ny Filistina. (4, 5)

 

Fihatsarambelatsihy. Teo am-pandrenesana ny tenin’i Jonatana dia nilefitra i Saoly ka nilaza hoe: ”Raha velona koa Jehovah dia tsy hatao maty Davida” (6) Saingy tsy maty tanteraka tao am-pony ny aretin’ny fialonana ka nikasa hamely an’i Davida indray izy. (10) Nandositra i Davida fa nanenjika azy hatrany i Saoly.

 

Mikala zanany vavy. I Mikala vadin’i Davida izay zanak’i Saoly vavy indray no namonjy an’i Davida ka nampandositra azy. Io ilay famonjena faharoa nanavotra ny ain’i Davida.

 

Fampitandremana : Tandremo ihany tratran’ity aretin’ny fialonana ity fa tena mandoza sady manimba tanteraka ny fo ka sarotra sitranina. (Jeremia 17.9)

 

Fampaherezana : Ny mpanompon’Andriamanitra dia mahatsapa tahaka an’i Paoly ka miteny hoe: ”Voageja manodidina izahay nefa tsy tery; potraka nefa tsy maty; Enjehina nefa tsy nafoy!” (2Korintiana 4.9)