1 SAMOELA 18.17-30 F. 6

JEHOVAH KOSA MIJERY NY FO

 

Fitiavana imolotra. Izany no fitiavan’i Saoly ; tahaka ny mba manatanteraka ny veliranony izy (17.25) kanefa ny Tenin’Andriamanitra dia mahalala tsara fa “fandrika hamelezan’ny tanan’ny Filistina” an’i Davida (17, 21, 25) no antony hanomezany ny zanany vavy ho an’i Davida (21b). Ankoatr’izay moa dia tsy tahotra tsy henatra ny nanomezana ho an’i Adriela an’i Meraba (19). Ary raha tena mifankatia i Mikala sy Davida dia vodiondry faran’izay voatsiary no notadiavina tamin’i Davida. Eny, efa nahafaty alinalina i Davida tamin’ny nandreseny an’i Goliata saingy hevitra hahafaty azy amin’ny tanan’ny Filistina no tena tao ambadiky ny fitadiavana “saron-tsotsòkan’ny Filistina zato¹” (25).

 

Fitiavan’i Mikala. Mba misy ihany koa ny vehivavy izay tia voalohany (20, 28). Izay be ao am-po anefa dia tsy maintsy mivoaka ety ivelany, koa rehefa nisy nahalala izany dia tonga hatrany an-tsofin’i Saoly.

Fitiavan’i Davida. Ny an’i Davida kosa dia ny fitiavana an’Andriamanitra izay momba azy hatrany ary manome fahombiazana azy amin’izay ataony no tena mibaribary eto (28-30). Nahatsiaro tena ho mahantra sady fanivaiva (23) loatra izy raha ho vinanton’ny mpanjaka izany. Rehefa hitany anefa fa nankasitraka izany ny mpanjaka dia nanao izay fara-heriny izy: Tsy niandry ny faran’ny fetrandro fa avy dia nanatontosa ity vodiondry hafa kely (26). Ary raha zato no nangatahina taminy dia saron-tsotsòka roanjato be izao no indray nentiny (Matio 5.40-41).

 

Saintsainina : “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra… ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika.” (Hebreo 4.12-13).