1 SAMOELA 18.1-16 F. 2

RAHA OLONA IRAY NO TSY TIA

 

Ny fitiavan’ny fianakavian’ny mpanjaka (1-5). Rehefa nahita ny fandresen’i Davida an’i Goliata, ilay Filistina, i Jonatana dia “niraiki-po” tamin’i Davida. Hitany fa lehibe noho ny fandreseny ny Filistina ny an’i Davida (1 Samoela 14). Hany ka dia nanao fanekena tamin’i Davida izy ho mariky ny tsy fivadiham-pitokisana (3), ary dia nanome an’i Davida ny fitaovam-piadiany rehetra izy (4). Fa i Saoly mpanjaka ihany koa aza dia tia fatratra an’i Davida ka nitazona azy tao an-tranony (2) sy nanendry azy ho mpifehy ny miaramila.

 

Ilay fialonana mandrava (6-16). Raha niteraka fitiavana tao amin’i Jonatana ny fahombiazan’i Davida dia fialonana kosa ny tao amin’i Saoly (6-9). Rehefa izay fialonana izay, miampy fitiavan-tena (8) sy tahotra (12, 15, 29) no mameno dia mora amin’ny fanahy ratsy ny mifehy ny tena (10). Tsy fandravana ho an’ny tenany ihany fa fitadiavana ny hamono an’i Davida koa. Rehefa tsy voa teo akaiky anefa i Davida (11) dia nokatsahina indray izay hamonoana azy amin’ny alalan’ny ady (13).

 

Raha olona iray no tsy tia. Dia mandehana mihavana aminy, hoy ny Testamenta Vaovao (Matio 18.15 ; Romana 12.18). Saingy toa “tsy azo atao” izany amin’ity mpanjaka izay mikasa mafy ny hamono ny tena. Matetika isika rehefa sendra izany dia ny mitanondrika no ataontsika. Mila mijery kosa ireo fitiavana be dia be manodidina anefa. Tia an’i Davida tahaka ny tenany i Jonatana (1, 3), ireo vehivavy mpandihy (7), Mikala (20), Israely sy ny Joda rehetra (16) ary indrindra NY TOMPO Izay nomba azy hatrany ka nampahomby azy (12, 14).

 

Misaotra, Tompo, noho ny fitiavanao.