1 SAMOELA 17.25-40 F. 4

EO ANATREHAN’NY OLANA (2)

 

Mijery sy mamantatra ny zava-misy (25-30). Marina fa lehibe ny ao anatintsika noho ny eo amin’izao tontolo izao, na izany aza dia tsy azo odian-tsy hita ny herin’ny fahavalo ka izany no nanaovan’i Davida fanadihadiana teto. Na teo aza ny fanakivian’i Eliaba dia tsy nahasakana azy tsy hiresaka izany (29).

 

Mampahery (31-33). Raha teny fanakiviana no nataon’i Goliata (11) dia teny fampaherezana kosa no nataon’i Davida ho an’i Saoly sy ny miaramilany (32). Fantany mantsy fa tsy mifora io, izany hoe tsy nanao fanekena tamin’Andriamanitra (25), noho izany tsy momba azy NY TOMPO. Ren’ny olona izay fijerin’i Davida izay ka dia notanteriny tany amin’i Saoly (31).

 

Miatrika fihantsiana (34-37). Nandritra ny efapolo andro dia tsy nisy olona sahy namaly an’i Goliata, fa i Davida kosa, noho ny fijeriny tahaka ny fijerin’Andriamanitra dia sahy ny hiady aminy. Ny fahatsiarovany ny fomban’Andriamanitra azy hatrizay tany am-piandrasana ondry no nahatonga azy hanana izay fahasahiana izay. Ny liona sy ny orsa ary efa resiny koa maika izay lehilahy tsy mifora io!

 

Ny fiadian’i Davida (38-40). Raha novelabelarina tetsy aloha (4-7) ny fiadian’i Goliata miisa enina, eto kosa dia fiadiana miisa enina ihany koa no teo amin’i Davida, saingy tsy noraisiny ireo fiadiana telon’i Saoly, dia ny fiarovan-doha, fiarovan-tratra ary ny sabatra, izay fiadian’ny mpiantafika, fa fiadian’ny mpiandry ondry telo ihany no nentiny dia ny tehina, vatokilonjy ary antsamotady.

 

Tsy mety ny mampiasa fiadiana tahaka ny an’ny fahavalo, ny azy matetika dia lainga, fanaratsiana ary fampihorohoroana, ny antsika kosa dia ny fiadian’Andriamanitra (Efesiana 6.10-18).