1 SAMOELA 1. 1-28 F. 1, 2

NY OLOM-BAVAKA

             Ratsy  ny  fampirafesana.  Na  dia  mpivavaka aza i Elkana dia tsy nandeha araka ny sitraponAndriamanitra noho ny fananana vady roa dia i Hana sy Penina. Mety fomban-tany taminny andron’i Elkana ny fampirafesana kanefa dia niteraka voka-dratsy satria tsy mitovy ny fitiavana azy roa. Niteraka fifanenjehana izany, fifampialonana, ratram-po (6), samy manao izay hamelezana ny iray. Soa fa tonga Jeso nanitsy izany fomba fanao izany ! (Titosy 1.6)

            Vavak’i Hana. Feno alahelo Hana satria nahatsiaro tena ho irery toa tsy misy ilàna azy hany heriny nitondra izany teo aminAndriamanitra (10). Vavaka manambara mazava izay tadiaviny  dia ny hanan-janaka(11) ary naharitra nitalaho ny amin’izany izy (12) ka tsy nanome lanja izay mety ho fijery sy fitsaranny olona azy (14). Nihaino vavaka Andriamanitra ka nitoe-jaza Hana.(20).

           Teraka i Samoela. Nivoady ary Hana fa hatokany ho anAndriamanira io zanaka nangatahany taminAndriamanitra io izay nomeny anarana hoe Samoela. Ny fotoana ninonoanny zanany taminy ihany no nihazonany azy fa dia nefainy ny voadiny. Azo an-tsaina fa tsy mora ny hahafoy zanaka tiana sy nirina, kanefa dia niray fo taminny vadiny Elkana ka tsy naneho fanoherana tamin’izany fanapahan- kevitra izany. Olom-bavaka i Hana ka nambarany tao anatinny vavaka koa ny fanolorana ny zanany. (28)

            Saintsaino : Ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataonAndriamanitra tsinontsinona » (Salamo 51.17).