1 MPANJAKA 22,13-28 F.1,2

 

EFA PLANIN’NY TOMPO NY HAHAFATY AN’I AHABA !

Miavaka ny mpaminanin’ny Tompo (13-18). Inona no notenenin’ilay iraka naka an’i Mikaia? Heverin’ny olona fa azo hanaovana kitrano an-trano ny asan’Andriamanitra. Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia sahy mijoro toa an’i Mikaia. Manoloana ny fivilian’ny fiaraha-monina, eny hatrany am-piangonana, manao ahoana ny fijoroantsika mpino amin’ny tenin’Andriamanitra? Tsarovy fa ny voany no hamantarana ny hazo. Tsy zakan’i Ahaba ny hafatra nolazain’i Mikaia saingy sahy nifanandrina taminy izy na inona ho vokany na inona.

Nivoaka ny tsiambaratelon’ny faminaniana (19-23). Hay moa ka Andriamanitra no efa nandamina ny zavatra rehetra hahatongavan’izao zava-miseho izao. Tsy misy zavatra tongatonga ho azy tokoa fa eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fandaharana ny fiainan’ny olona tsirairay. Manana mpiara-miasa Izy amin’ny fanatanterahana izany. Izay miseho sy mitranga izany dia ekeko fa Andriamanitra avokoa no ao ambadik’izany ka izany no tokony hisaorana Azy mandrakariva. Misy dikany avokoa ny zavatra rehetra ataony fa ny anjarantsika dia ny mandray lesona amin’ny trangan-javatra rehetra. Aoka hanana firaisana amin’ny Tompo mandrakariva mba tsy ho tonga amin’ny toeran’ireto mpaminanin’i Ahaba ireto.

Vokatry ny filazana ny marina (24-28). Nahoana i Zedekia no tezitra ka namelaka namely an’i Mikaia? Firifiry moa ny olona no tsy mahazaka ny fanitsiana toa izao. Hambom-po sy fiheveran-tena ho  manana ny marina mandrakariva. Ny fihetsika nataony dia efa manaporofo sahady ny faharatsian’ny fanahy ao anatiny. Tsy olona manana ny fanahin’Andriamanitra no hitondra tena toy izao. Toy izany koa Ahaba, raha nino ny tenin’i Mikaia izy dia afaka nibebaka ary navelan’Andriamanitra ny helony saingy indrisy efa nivaro-tena hanao ny ratsy izy. Tandremo!!!