1 KORONTIANINA 15.12-34 F. 6

FIAINANA MANDRAKIZAY

 

Misy ireo zay mandà ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty (12). Raha tsy nitsangana ny Tompo dia tsy misy fanafahana ny amin’ny ota satria tsy nankasitrahan’Andriamanitra izany ny sorona nataony teo amin’ny hazo fijaliana. Velona ny Tompo, resiny ny fahatesana, tsy laitran’ny fasana nohazonina, izany no nilazan’ny anjely raha hijery ny fatin’i Jesoa ny sasany hoe : « Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona? » (Lioka 24.5), « tsy ato Izy efa nitsangana ! »

 

Misy fahavelomana mandrakizay ao aorian’ny fahafatesana ho an’izay ao amin’ny kristy Jesosy ary efa nosantaran’i Kristy izany (20, 23). Ny tanjona ataon’ilay ratsy dia hifikirantsika amin’ity izao tontolo izao ity. Nefa hoy Paoly “ny fahavelomany na ny fitsanganan’i Jesoa dia fanamarinana antsika” (Romana 4.24-25). Noho izany indrindra ny maha zava-dehibe ny fikatsahana ny zavatra any ambony fa ny fianantsika dia miafina ao amin’ny kristy (Kolosiana 3.1-4) ilay efa niteny hoe «any amin’izay misy Ahy no hisy anareo koa»

 

Hisy ireo dingan’ny fanjakan’Andriamanitra aorian’ny fiavian’ny Kristy fa ny fiafaran’izany dia Kristy manjaka sy mandresy feno «mba ho amin’ny Anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin’ny tany» (Filipiana 2.10) ary ... «voasoratra hoe “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra’’ (Isaia 45.23).» (Romana 14.11) (24-28)

Ho amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany no nikelezana aina, nitoriana sy nitandreman’i Paoly ny tenany ho tsy hanantsiny na tamin’ny fanompoana na tamin’ny fiainany manokana (30- 34). Izany koa no amporisihana antsika.