1 KORONTIANINA 14.10-25 F. 5

FANOMEZAM-PAHASOAVANA MITENY AMIN’NY FITENY TSY FANTATRA

 

Ny fanomezam-pahasoavana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Isan’ny fanomezam-pahasoavana voalaza mety omen’ny Fanahy ny olona izany mba hahasoa (1Korontianina 12.7). Mety kokoa raha samy irery no miaina izany fa raha eo anivon’ny fiangonana kosa dia ny hahazoan’izay mihaino fahasoavana sy fiombonana no katsahana (11-12) . Ny « amen » ohatra dia tsy ho afaka ho tonon’izay tsy mahalala ny hevitry ny teny andrao tokoa miombona foana ka miray fanahy amin’ny izay tsy fantatra.

 

Hilaina ny fandikana ny teny. Raha ao amin’ny fiangonana dia ilaina sy angatahina ny mba hisy hahay handika ny teny (13). Zava-dehibe izany indrindra ho amin’ny fampiorenana sy fiombonam-po (14-16). Ampatsiahivin’i Paoly fa ny saina no mibaiko izay ambaran’ny vava ho takatra sy fantarina fa ny vavaka atao amin’ny fiteny tsy fanatatra dia mivantana amin’ny Andriamanitra (Asan’ny apostoly 2.4) saingy tsy voatery fantarin’izay manao azy ary tsy ho fantratry ny mihaino, sarotra ho fampandrosoana ny fiangonana (16-17) raha tsy misy fandikana. Tao korinto dia hita fa nisy fifaninana haneho izay heverina ho fanomezam-pahasoavana «ambony» kokoa. Ary izany no tsy maintsy nampianaran’ i Paoly (18) ny endrika mety hiainana izany ao amin’ny fiangonana .

 

Ny tsy mpino sendra tonga miangona dia tsy handre sy tsy handray ny filazantsara raha teny tsy fantany hevitra no hifanaretsaka an-tsofiny fa ny faminiana kosa izay mahakasika fanahy, mandresy lahatra dia mitondra ho amin’ny fiaikena ary fahatsiarovan-tena (20-25). Hialana amin’ny fanahy mamitaka anefa dia mila mailo isika (1Jaona 4.1).