1 KORONTIANA 13.1-13 F. 1, 2

REHEFA TSY MANAM-PITIAVANA IANAO DIA ZAVA-POANA NY FANOMPOANAO

 

« Na dia … aza aho, …kanefa tsy manana fitiavana, dia … » (1-3). Mila tsaroanao tsara fa raha tsy misy fitiavana, dia tsinontsinona ireo fanompoana rehetra izay ataonao. Afaka mahazo ny fanomezam-pahasoava tena manan-danja indrindra ianao kanefa tsy manan-danja ireo, raha tsy misy ny fitiavana ny hafa ary raha tsy atao am-pitiavana koa ny fampiasana izany. Raha toa koa anefa ny zavatra ataonao amin’ny fanompoana dia avy amin’ny faniriana te hampifaly olona fotsiny, na hampisongadina ny tenanao, dia tena tsinotsinona eo anatrehan’Andriamanitra izany fanompoanao izany ary dia ambarako aminao fa tsy izany ny toe-po andrasan’ny Tompo amintsika mpanompony fa fitiavana sy fanetren-tena.

 

Hoy Paoly, « Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.» (Galatiana 1.10)

 

« …ny fitiavana … » (4-12). Asehon’ i Paoly eto ilay endrikin’ ny fitiavana dia ireo toetra tsara roa (4a) sy ireo toetra ratsy efatra mifanohitra amin’ny fitiavana (4b-6a) ary ireo endriny dimy mila hita taratra amin’ny tena fitiavana (6-7). Ireo singa ireo no hamaritan’ny olona anao raha tena manam-pitiavana tokoa ianao; fa tsy asa fanompoana ataonao no maha-mpanompon’Andriamanitra anao akory.

Tsy misy tanteraka anefa isika (10, 12) fa mila mitombo mandrakariva (11) indrindra fa amin’ny fitiavana.

 

Tadidio : «Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.» (1Korintiana 13.13)