1 KORONTIANA 12.1- 11 F. 6

NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA NO SAMY HAFA FA NY FANAHY MIASA DIA IRAY IHANY

 

« Ary ny amin’ny zava-panahy ry rahalahy… » (1- 3). Ny fahamarinana voalohany mila tsaroantsika dia tsy maintsy mamantatra ny tontolo sy ny fiasan’ ny fanahy isika, ka raha tena efa manana ilay Fanahin’Andriamanitra tokoa isika (Romana 8.9), dia manaiky ny fahefan’i Jesoa Kristy eo amin’ ny fiainanatsika ho Tompo ary sahy manambara izany amin’ny manodidina azy (3).

 

« Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana… » (4-6). Ny fahamarinana faharoa azo sintonina eto dia ny maha-iray ny Fanahy sy ny Tompo ary Andriamanitra, ilay telo izay iray ka nanome sy nizara izany fanomezam-pahasoavana sy fanompoana ary ny asa izany. Vokany dia mila manaiky isika fa ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay dia samy manana ny maha-izy azy satria samy nandray avy Aminy Izy Tompo Andriamanitra ka tokony hifanaja sy hifanome voninahitra ary hitady izay hifamenoana mba hampandroso ny fiangonan’Andriamanitra dia izay tena kristiana rehetra nanaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany manokana.

 

« Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa… » (7-11). Ny fahamarinana fahatelo dia ny antony nanomezana ny fanomezam-pahasoavana sy ny fanompoana ary ny asa tanterahina dia ny hahasoa ny hafa, fa indrindra ny hahatsapana fa Fanahy iray ihany no miasa ao anatin’ireo mpanompony izay manao asa samihafa ireo. Izany hoe Fanahy iray, tanjona iray fa ny asa fanompoana no samy hafa.

 

Saintsaino : « Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; » (Efesiana 4.4)