1 KORINTIANINA 15.1-11 F. 4

NY FITSANGANANA AMIN’NY MATY

 

Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Tena nanan-karena amin’ny fitahiana ny fiangonana tao Korinto manana fanomezam-pahasoavana maro. Nisy nivohy anefa fa tsy misy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty koa izany no nararaotin’i Paoly hanamafisana ny voatoatin’ny filazantsara : Kristy maty noho ny fahotana (Isaia53.1-12); izay tokony nanamelohana antsika no nentiny ho an’ny tenany, izany no nahazoantsika famelan-keloka (Marka10.14) (3) . Efa nandresy ny fahafatesana Jesoa, nitsangana tamin’ny maty, marihin’ny tantara izany. Fahavelomana hitan’ny vavolombelona maro tahaka an’i Kefasy, ny mpianatra, olona diman-jato mahery, Jakoba (5-7). Ny apostoly Paoly koa dia nanamafy fa nanehoan’i Kristy ny fahavelomany (8). Isika ihany koa dia mila mino ny fisiany sy ny famaliany soa eo amin’ny fianantsika (Hebreo11.6) izany no ambara fa hahazahoana sitraka aminy.

Izao tontolo izao hatrizay dia niezaka namafy fa tsy nitsangana Jesoa. Velona izy ary izay mino Azy koa tsy ho faty fa ho velona mandrakizay. Izay no fanantenan’ny mpino sady efa nambaran’i Kristy rahateo (Jaona 11).

 

Ny fahasoavan’Andriamnitra no nahatoy izao ahy (10). Teny hindramintsika matetika izany. Mifono fiainana efa lasa toa tsy mendrika, tsinontsinona, mpanota mizotra ho amin’ny fahaverezana kanefa notiavina sy namindrana fo noho ny asam-pamonjena nataon’i kristy (Efesiana 2.8). Lalina izany fitiavan’A,ndriamanitra antsika ao amin’ny Kristy. Paoly sy ny fiainany no taratr’izany (8) satria tsaroany loatra ny toerana nisy ny tenany talohan’ny namangian’Andriamanitra azy (Asan’ny apostoly 9) .

 

Saino : Hahatsiarovako ny fahasoavan’Andriamanitra ve ny tantaram-piainako ankehitriny?