1 KORINTIANINA 14.26-40 F. 3

FANDAMINANA MIRINDRA

 

Ny fandaminana mirindra ao amin’ny fiangonana no hisian’ny fahamendrehana (40). Andriamanitra tompon’ny fiadanana fa tsy fikotronana (33) koa raha misy fanehoana ny fanomezam-pahasoavana dia tokony hikendry mandrakariva fampandrosoana, hahatonga fiorenana (26). Ny fampiarana ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra ao am-piangonana indrindra no marihan’i apostoly Paoly ka hanomezany toro-marika : Tsy marobe andrao mitondra fikorontanana, mila fandikana mba ho azon’ny olona ka hampandrosoana hy hafa (27-28); izany no natao dia ny hialana amin’ny korontana sy fifanjevona.

 

Ny faminaniana. Toy izany koa ny amin’ny faminaniana, tsy hifandrombahana ny miteny ary ny olona antsoina halady hiaino (Jakoba 1.19) hahatsara ny fifantohan’ny maro izany no mampisy firindrana mampiadana (31).

Tsy ferana ny olona haminany (na lahy na vavy) fa nohon’ny mety hisian’ny famitahana « Moa ao am-pon’ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va? » (Jeremia

23.26) dia ilaina ny hisian’ ireo izay mpaminany hamantatra ny fanahy sy hanavaka (31-32).

 

Heverina fa nisy sokajina vehivahy tsy nahafehy ny vavany ka tsy nijanona nanontany sy nanapa-teny ny amin’ny zavatra tsy azony . Toa nanampy trotraka ny korontana nateraky ny tsy fahaizana mandamina efa misy tao amin’ny fiangonana (35-36). Hanatsara ny fizotry ny fotoana raha ny vady loham-pianakaviana no hanampy amin’ny fiorenana ara-panahy (35) saingy hisy izay havaly ve izy raha ho avy hanontany tokoa ny vadiny mby any an-tokantrano ? Fa atao ahoana ny fahalala raha tsy misy mpanoro ? (Asan’ny apostoly 8.30- 31)

Tsy tokony ho raràna ny faminaniana saingy misy fepetra mba hahatratrarana ny fampandrosoana (39-40)