1 KORINTIANA 6.12-20 F. 6

MANKALAZÀ NY TOMPO AMIN’NY TENANAREO!

 

Ny        amin’ny       tena        (12-14).        Ny fahasoavan’Andriamanitra no manamarina, manafaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana. Kanefa, izany fahafahana izany dia tsy tokony hitaona amin’ny fitondrantena ara-nofo izay hamerina amin’ny fangejan’ny fahotana. Singanina manokana amin’izany ny fijangajangana izay tsy azo atao ho isan’ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samihafa.

Efa lasa teny filamatra  ho  an’ireo  diso  fahazo ny fampianarana (1Korintiana 9.1,19) ny fahafahana   ka   tonga   varavarana   misokatra ho amin’ny fitondrantena mivoana tanteraka amin’izay voalazan’ny Baiboly. Ohatra : tsy mety ny mijanona madio hatramin’ny fanambadiana, tsy mety ny lehilahy manambady raha tsy manana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana,  sns… ny vokany anefa dia fifanjevona, fahakiviana, fisarahana, alahelo, aretina, fahafatesana… Inona ary  ireo  fepetra  tokony  ho  raisina  ho  amin’ny fampiasana ny tena amin’ny tsara? (12, 13). Noho ny  fanafahan’i  Kristy  antsika  tamin’ny  fahotana, dia tokony tsy ho voagejan’ inona na inona intsony isika. Eo anatrehan’ny Tompo ary, aoka handini- tena sy hijery izay mety mbola mihazona antsika.

 

 Tempolin’ny    Fanahy    Masina    (15-20).    Tsy tompon’ny    tenantsika    isika    ary    tsy    tokony hampiasa azy araka izay tiantsika. An’ny Tompo ny  tena,  fitaovana  ho  amin’ny  fahamarinana  ho any   amin’ny   fahamasinana,   fa   tsy   fitaovan’ny fahotana   ho   amin’ny   fahafatesana   akory.   Ny zanak’Andriamanitra    dia    manana    ny    Fanahy Masina ao anatiny. Koa nahoana moa no atolotra amin’ny fahotana ny tena?

 

“Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà  an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.”