1 KORINTIANA 5.1-13 F. 3

 

ESORY EO AMIN’NY FIANGONANA NY MASIRASIRA!

 

Ny fahotana (1-5). Mampalahelo raha ao am-piangonana no misy fijangajangana izay, hireharehanasyleferina! Inonaintsonynofijoroana vavolombelona ananany? Toy ny tsimokaretina izay  mampididoza  ny  fahasalaman’ny  vatana, ny fahotana  dia  misovoka  moramora.  Ary rehefa tafiditra ilay ratsy dia miely ary miteraka fahasimbana tanteraka eo amin’ny fiangonana manontolo rehefa tsy sorohana. Ny kristiana mandeha amin’ny mazava sy tia an’i Kristy, ilay Lohan’ny fiangonana, dia mahatakatra fa ny vatana manontolo no ho voaloton’ny fitiavantena, ny fahajambana sy ny fanaovana tsirambina (1Korintiana 3.16-17). Araka ny fampianaran’i Jesoa (Matio 18.15-17), aoka isika ho sahy hiteny ireo mitondra anarana kristiana kanefa manana fiainana tsy mendrika izany.

 

Fandraisana fepetra (6-13). Mila mandray andraikitra ny fiangonana voakasik’izany. I Paoly izay saro-piaro amin’ny fiangonan’Andriamanitra dia  mangataka  ny  hanesorana  ny   mpanao ratsy tsy ho eo amin’ny fiangonana intsony. Ny fahatsapany fa tsy manohana ny fahotany ny fiangonana, dia mety hahatonga azy hibebaka ka hiverenany ao am-piangonana indray. I Paoly dia tsy vitan’ny mamporisika ny tsy fiharoharoana amin’ireo rahalahy mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpimamo na mpanao an- keriny fa mandrara mihitsy ny fifampikasohana be amin’ireo.

 

Fampieritreretana  :   Aoka   hitandrina isika ny amin’ny fandraisana ny hevitry ny fahafahana. Mihoatra ny zavatra rehetra, aoka ho saro-piaro isika ny amin’ny fihazonana ny fahamarinana, ny fahadiovam- po sy ny fahamasinana ao anatin’ny fiangonana! Masina Andriamanitra izay tompontsika!