1 KORINTIANA 15.1-11  F. 1, 6

I KRISTY NITSANGANA VELONA AVY TANY AMIN’NY MATY

Ilay Vaovao Mahafaly izay notoriko taminareo (1-8). Ny toko faha 15 amin’ity taratasy na episitily nosoratan’ny Apostoly Paoly ity no amelabelarany ny fampianarana momba ny fitsanganana ho velona avy amin’ny maty. Io no foto-pinoan’ny kristiana hatrany am-piandohan’ny Fiangonana voalohany, dia ilay Vaovao Mahafaly amonjen’Andriamanitra ny tsy mpino ka notorian’i Paoly Apostoly: dia « i Kristy maty ho fanalana ny fahotantsika, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan'ny Soratra Masina, ary niseho tamin’i Petera sy ny apostoly ary ireo mpianatra marobe » (3-5, DIEM). Anisan’ny vavolombelon’ny fitsanganan’i Kristy ho velona koa ve ianao?

Tena fanehoana ny maha-vavolombelon’i Kristy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly (9-11). Toy ny nataon’i Paoly dia tsy mendrika ny antsoina ho Apostoly akory izy satria tena mpanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy fahiny ary tahaka anao ankehitriny angamba? Fa rehefa niova fo kosa Saoly, mpanenjika, ho lasa Paoly noho ny nandraisany an’i Kristy Jesoa ho Tompony sy Mpamonjy azy dia lasa mendrika ny antsoina hoe Apostoly sy Mpitory ny Vaovao Mahafaly, ary izany nefa dia noho ny Fahasoavan’Andriamanitra niasa tao aminy sy miara-miasa aminy rahateo.

Fanontaniana ho saintsainina : Inona na iza no toriko, na torianao ankehitriny? Ny anaran’ny Fiangonana misy ahy ve? Sa tena Vaovao Mahafaly marina, araka ny voalazan’ny Soratra Masina ka hanova ny fon’ny tsy mino ho lasa mpino, hahavoavonjy azy?