1 KORINTIANA 15. 12-19  F. 2, 6

NY FITSANGANAN’NY TENANTSIKA HO VELONA

Tena mitombina ny fampianarana momba ny fitsanganan’ny tena ho velona (12). Misy maromaro teo amin’ny mpino tany Korinto no tsy nino ny fitsanganan’ny tena ho velona. Noporofoin’i Paoly tamin’ny fampianarana nataony nefa fa rava tanteraka ny finoana kristiana raha io fampianarana io no disoina. Tena marina io fampianarana io satria ny Soratra masina mihitsy no manambara sy manamarina izany «fa efa nitsangana velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona» (Lioka 24.34).

Ny fahamarinan’io Fampianarana io no ilàna ny fijoroan’ny maro ho Vavolombelona (13-18). Toy ny hitantsika eo ambony sy voarakitry ny bokin’ny Fanekem-pihavanana efatra: Matio, Marka, Lioka ary Jaona. Raha tsy misy ny fitsanganan’ny tena ho velona, dia na i Kristy aza tsy natsangana. Tsy nahazo ny fankasitrahana sy ny fankatoavan’Andriamanitra mihitsy ny asa rehetra nataony. Tsy ho resy ny fahafatesana, ary mbola mitoetra ao amin’ny fahotantsika ihany isika. Noho izany tsy ho nisy ny Vaovao Mahafaly ny amin’ny famonjena, ary mirodana ho azy ny finoantsika. Maty antoka tanteraka isika noho izany satria na ny fiainantsika eto an-tany na ny mandrakizay antsika dia samy ho very.

Raha amin’izao fiainana izao ihany (19). Izany no hanantenantsika an’i Kristy velona, izay mbola hiverina indray haka antsika ho any Aminy. Ny zavatry ny tany mantsy dia mandalo ihany ary mety ho azo amin’ny fiezahana ihany ka faran’izay mahonena isika raha izay ihany no anantenantsika an’i Kristy.

Vavaka: «Tompo o, mampianara anay hijoro ka ho sahy ho vavolombelon’ny fitsangananao avy amin’ny maty ka ho velona mandrakizay eo an-kavanan’ny Ray !»