1 KORINTIANA 14.26-40  F. 1, 6

MIANGONA AMIM-PAHAMENDREHANA SY FILAMINANA

Aoka ny zavatra rehetra atao ho fampandrosoana. Faranan’i Paoly amin’ny torohevitra sy fandaminana pratika ho an’ny fiangonana tao Korinto ity ampahany amin’ny taratasiny momba ny fanomezam-pahasoavana ity. Mason-tsivana iray no apetrany fa tokony hibaiko ny rehetra. Rehefa hivory sy hiangona tokoa mantsy dia samy manana izay kasainy sy tiany hatao araka izay fanomezam-pahasoavan’ny tsirairay: hira, fampianarana, fiteny tsy fantatra, fandikan-teny (26). Ny tokony arahin’ny rehetra ary dia ny hoe aoka ny zavatra rehetra atao mba hampandroso sy hampiorina ny mpanatrika amin’ny finoana. Ny ankabeazan’ny andininy vakintsika androany dia manome toromarika sy fandaminana hahatrarana io fenitra io.

Andriamanitra : Tompon’ny fiadanana. Tsy mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra ny korontana sy tabataba noho izany dia mila alamina tsara ny zavatra ambara sy ny fandraisam-pitenenana ary ny fahanginana eo anivon’ny fiangonana. Izay no azo amintinana ireo fandaminana rehetra amin’ny baiko omen’i Paoly eto. Anisan’izany ny isan’izay miteny amin’ny teny tsy fantatra sy ny tokony hisian’ny mpandika teny ary ny tokony hanginana raha tsy misy mpandika teny (27-28), ny toromarika momba ny faminaniana (29-32). Eo koa ny tokony hanginan’ny vehivavy mandritra izany fotoana faminaniana sy vavaka amin’ny teny tsy fantatra izany (33b-36).

Eo am-pamaranana dia hamafisin’i Paoly ny tokony haniriana fatratra ny haminany (hitondra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny mpino), ny tsy handrarana ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra saingy ny tena zava-dehibe sy lohalaharana dia ny fahamendrehana sy filaminan’ny fotoam-bavaka.

Saintsaino : « Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotranana, fa tompon'ny fiadanana » 1 Korintiana 14.33a.