MIVAVAKA AMIN’NY FANAHY… SY NY SAINA.
Mampandroso ny fiangonana… Zava-dehibe ny fifankahazoana amin’ny resaka sy teny izay atao eo amin’ny fifandraisana na eo amin’ny fiainana andavanandro tsotra fotsiny aza. Lazain’ny mpanoratra fa raha te-hampandroso ny fiangonana ary dia mila azon’ny rehetra ny zavatra ambara mba hiombona amin’ny vavaka na ny hira atao izay rehetra manatrika. Tsara ary ny mivavaka am-panahy nefa tsaratsara kokoa sady mahasoa ny rehetra raha miara-mientana ao anatin’ny vavaka ny fanahy sy ny saina (15). Tsy mifanohitra amin’ny fivavahana sy ny finoana ny fampiasana ny saina nefa kosa amporisihina isika hihavao saina tanteraka ahazoantsika mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra (Romana 12.2)
…sady vavolombelona mitarika ny tsy mino. Manohy ny fisaintsainany ny Apostoly Paoly ka mijery indray ny tranga hoe misy tsy mpino manatrika ny fivoriam-bavaka tanterahin’ny fiangonana. Eto ihany koa dia mbola hamafisiny fa tsara kokoa ny maminany izany hoe mampita hafatra amin’ny teny mazava sy azon’ny rehetra avy amin’Andriamanitra noho ny miteny amin’ny teny tsy fantatra. Hahakasika ny fon’ny tsy mpino mantsy ny teny ambara (satria azony) ka hahatonga azy hiaiky ho diso sy meloka satria mampiseho miharihary ny miafina ao am-pony ka hahatonga azy ho resy lahatra fa eo anivon’ny fiangonana tokoa Andriamanitra sy hitarika azy ireo hivavaka aminy (24-25).
Saintsaino: «Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin’ny fisainana ; eny raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo fa raha amin’ny fisainana dia aoka ho olon-dehibe » 1 Korintiana 14.20 (DIEM).