MANIRY NY HAMPIORINA
Raha nanazava ny foto-pampianarana momba ny fanomezam-pahasoavana ny Apostoly Paoly tao amin’ny toko faha-12 sy ny maha-zavadehibe ny hampiasana ireny am-pitiavana tao amin’ny toko faha-13 dia manazava kosa izy manomboka eto ny fomba hisehoany sy hampiasana ny fanomezam-pahasoavana eo anivon’ny fiangonana.
Mampiorina… Amporisihin’i Paoly ary ireto Korintiana ireto mba hitady ny fitiavana nefa koa haniry ny haminany. Ny mahazatra antsika amin’ny hoe mpaminany dia olona mahalala sy mitantara ny ho avy. Tsy diso izany nefa tsy marina mandrakariva koa. Ny hoe mpaminany mantsy dia olona mifandray amin’Andriamanitra ka mandray avy Aminy sy mitondra teny fampandrosoana, famporisihana ary fampiononana ho an’ny fiangonana (3). Tena ilaina izany satria mitarika ny mpino hanakaiky kokoa sy hiankina ary hatoky ny Tompo eo amin’ny fiainany isan’andro. Ato amiko ve izany hetaheta hitondra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ireo iray tampo amiko ao amin’ny Tompo izany ?
….amin’ny teny mazava. Ampitahaina eto ny hoe miteny amin’ny teny tsy fantatra sy maminany. Samy tanterahina amin’ny alalan’ny teny ireo. Saingy amporisihina kosa ny Kristiana hiteny amin’ny teny mazava sy azon’ny rehetra ka hitondra voka-tsoa ho an’ny rehetra. Ny miteny amin’ny teny tsy fantatra mantsy dia tsy azon’ny mpanatrika, mampandroso ny tena izany, hoy i Paoly, saingy tsy mitondra voka-tsoa ho an’ny fiangonana. Ny tena ilaina sy andrasana ary dia teny fanambarana, fahalalana, faminaniana sy fampianarana (6) azon’izay iantefan’izany raisina.
Vavaka : Tompo ô, velomy ato amiko ny hetaheta hifandray mandrakariva aminao ka afaka hampiorina ireo iray tampo amiko ao aminao amin’ny fampitana ireo teny avy aminao amin’izy ireo. Amena.