1 KORINTIANA 13.1-13  F. 6

NY TENA FITIAVANA

Anton’ny zavatra rehetra. Ny andininy telo voalohany amin’ity toko ity dia entina anehoana fa ny fanomezam-pahasoavana rehetra, eny hatramin’ny fanolorana ny ainy ho an’ny hafa aza dia tsinontsinona sy tsy mahasoa raha tsy misy fitiavana manosika sy manentana azy. Faritan’i Paoly ho ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra sy ny lalana tsara indindra ity fitiavana ity eo amin’ny faran’ny toko faha 12 novakiantsika omaly.

Hita eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Inona marina anefa no atao hoe fitiavana ? Betsaka ny famaritana efa mety ho hitantsika fa ny asehon’ny Soratra Masina antsika eto dia ny fisehon’ny tena fitiavana eo amin’ny fifandraisana amin’ny fiainana andavanandro. Azo fintinina amin’ny teny telo izany endrika isehoany izany : mandà ny tena (maharipo, mora fanahy, tsy mialona, tsy mirehareha…), mifanaraka amin’izay tsara sy mendrika (tsy manao izay tsy mahamendrika…) ary farany manana fanantenana hahita izay tsara sy miabo ao anatin’ny fifaneraserana (mandefitra, mino, maharitra ny zavatra rehetra).

Maharitra mandrakizay. Mandalo avokoa ny fanomezam-pahasoavana hafa rehetra (ny faminaniana, ny teny tsy fantatra, ny fahalalana…) ary hitsahatra indray andro satria tsy feno, tsy tanteraka ary sombitsombiny avokoa, aloka sy endriky ny zavatra ho avy fa rehefa tonga ny tena izy sy ny tanteraka dia ho foana sy takona avokoa. Ny fitiavana ihany no hany fanomezam-pahasoavana maharitra mandrakizay. Fehezin’Andriamanitra ny fitiavana, avy amin’Andriamanitra ary maneho ny maha-zanak’Andriamanitra (Jereo koa ny I Jaona 4.7-12)

Saintsaino: « Andriamanitra dia fitiavana koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana no mitoetra ao anatin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao anatiny.» 1 Jaona 4.16b.