1 KORINTIANA 1.26-2.5 F. 6

 

SAMY TSY MORA NA NY MANDRAY NA NY MITORY NY FILAZANTSARA

 

Ny kely hery no maro voavonjy. Vitsy amin’ireo olon-kendry sy mahery araka ny nofo no mahita ilay lalam-pamonjena izay tsy mba araka ny fahendrena sy ny herin’izao tontolo izao : ireo iva razana sy ireo fanevateva amin’ny fiaraha-monina no ankabeazan’ireo mitodika amin’ny Tompo (1.26-28) . Tsy misy olona afaka mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra ary na manan-katao toy inona aza izy (1.29) fa Jehovah ihany no azon’ny rehetra ireharehana (1.31), satria izay manana an’i Kristy no manana ny fahendrena sy fanavotana (1.30). Na dia sarotra amin’ny manan-karena aza anefa ny miditra ny fanjakan’ny lanitra dia tsy mikatona ho azy izany tsy akory satria hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra (Lioka 18.25-27).

 

Tsy miankina amin’ny fahendren’izao tontolo izao. Ny fitoriany ny zava-miafin’Andriamanitra (2.1b) izay mifototra amin’ny hazo fijalian’i Kristy (2.2) dia tsy miankina amin’ny fahaiza-mandaha-teny (2.1a, 4a) fa amin’ny herin’ny Fanahy Masina (2.4b, 5b). Na eo aza anefa izany hery izany dia miaiky Paoly fa tao anaty fahalemena sy tahotra no nanaovany ny asa (2.3). Ny fahalemena izay tiany hambara anefa dia tsy hoe fahotana fa mety ilay tsy fahaizany manao kabary tahaka ireo kalazalahy grika. Ny loharanon’ny tahony kosa dia mety ireo jiosy te-handrara azy tsy hitory (Asa 18.1, 12-13). Raha tsy mibanjina ny Tompo ny mpino rehefa manambara ny vaovao mahafaly dia mety tsy hahavita inona firy manoloana ny sakana marobe asetrin’izao tontolo izao !

 

Manetre tena : Io no hany toetra sahaza entina manatona sy manompo an’Andriamanitra.