TENA IRAY IHANY ISIKA !
Iray ao amin’i Kristy… Jiosy ve sa jentilisa, andevo sa tsy andevo, tongotra sa tanana, maso sa sofina ? Betsaka tokoa ny zavatra mahasamihafa : ny fihaviana, ny anjara toerana eo amin’ny asa na eo amin’ny fiaraha-monina, ny anjara andraikitra eo amin’ny fiangonana… Ireny rehetra ireny dia antony mety hahatonga antsika hisaratsaraka sy hitsitokotoko satria izay tsy mitovy amin’ny tena matetika dia, na tsiriritina na haratsiana sy ambaniana. Ity andinin-tSoratra Masina androany ity dia mampianatra sy mampahatsiahy antsika fa na dia eo aza ireo fahasamihafana ireo dia iray ihany isika kristiana noho Kristy mampiray antsika sy ny Fanahy iray mampiombona antsika.
…na dia samihafa aza. Harena ny fahasamihafana. Noho ny maha-isika antsika, ny toerana na andraikitra ametrahan’Andriamanitra antsika indrindra no ahafahantsika manatanteraka izay nanendrena antsika. Zavatra roa nefa no mila tandremana : voalohany, ny fampitahana ny tena amin’ny hafa izay mahatonga hihevitra fa tsy momba ny tena rehefa tsy mitovy amin’ny hafa (15-17), satria Andriamanitra mihitsy no efa nametraka ny tsirairay amin’ny toerany araka ny sitrapony (18). Faharoa dia ny fanilihana ny hafa izay tsy mitovy amin’ny tena (19-20) fa ny mifanome voninahitra sy miara-mifaly no tena toe-po mila ananana. Ny Tompo no ndao hangatahina mba hanova ny fomba fijerintsika hananantsika ny fijeriny.
ANdinin-TSOratra MAsina FIainana: « Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.» 1 Korintiana 12,26.