1 KORINTIANA 12.1-11  F. 1, 6

LOHARANO SY FAHEFANA TOKANA : NY FANAHY MASINA

Manaiky an’i Jesoa ho Tompo. Ny tanjon’i Paoly eto dia ny hampahafantatra amin’ireto Korintiana anoratany ireto ny amin’ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina. Saingy talohan’ny ninoany an’i Jesoa, ireto olona ireto dia efa nandeha tany amin’ny sampy sy nanompo andriamani-kafa sy fanahy samihafa. Zava-dehibe ary ny ahafahany manavaka hoe inona no teny na hetsika avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary inona kosa no avy amin’ny fanahy hafa izay fitaky ny demonia. Mason-tsivana tokana omen’i Paoly eto ahafantarana izany ny fanekena an’i Jesoa ho Tompo (3). Marihina fa ny Apostoly Jaona koa dia manamafy io tenin’i Paoly mikasika ny famantarana ny fanahy samy hafa io (Jereo 1 Jaona 4.1-3).

Tompo tokana : Fanahy sy Andriamanitra Iray. Tamin’ny fivavahana narahin’ireto Korintiana ireto teo aloha dia nisy karazan’andriamanitra maro izay noheverina fa nifehy amin’ny ampahany ny sehatry ny fiainan’olombelona (ady, fitiavana,…). Paoly kosa dia maneho zava-dehibe sy vaovao ho an’ireto olona ireto dia ny hoe : Iray ny Fanahy, Iray ny Tompo ary Iray Andriamanitra. Io Andriamanitra Fanahy iray io no loharanon’ny fanomezam-pahasoavana ary Azy irery ihany ny fahefana hizara araka ny sitrapony ny fanomezam-pahasoavany sy ny asa fanompoana amin’ny mpino tsirairay eo anivon’ny fiangonany. Ary tsy hoe rehefa voazara izany dia mitsahatra Izy fa manohy miasa amin’ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra Izy (6b).

Saintsaino : « Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia » 1 Jaona 4.1a.