1 KORINTIANA 10.14 - 11.1 F. 6

TSARA FIOMBONANA AMIN’I KRISTY

 

Tsy mizarazara (14-22). Ny fanompoan-tsampy dia miainga amin’ny tsi-faharetana : ao ny mamorona andriamanitra ao anatiny ao, ka iny no baikoina amin’izay tiana hanaovana azy, araka ny ohatr’ilay ombilahy volamena. Na koa tafalatsaka amin’ny fombafombam-pivavahana, satria tsy misy mibaikobaiko; nefa karazana sampy daholo ireo, ary fahavoazana goavana no fiafarana, araka ny fanoharan’i Jesoa tamin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna : “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra” (Matio 23.27b). Fiombonana feno fihatsarambelatsihy amin’i Jesoa sy ny mpiray latabatra, ny mpino milona amin’ny fomba ratsy toy izany.

 

Etsy ange ! Iza no hiarahako mivavaka? Ireo olona efa tena vita fihavanana amin’Andriamanitra ve ? Sa izaho mihitsy no miaina amin’ny fihetsiketsehana ivelany, amin’ny molotra fotsiny ?

 

Mitsinjo ny hafa (23-11.1). Misy ireo mpino Korintiana sasany, manaiky mandeha any amin’ny tempolin-tsampy miaraka amin’ireo namany mbola jentilisa. Miara-misakafo, satria hoe efa olon’afaka ao amin’i Kristy. Naman’ny manompo an’i Satana nefa ireny, ary tsy manome voninahitra an’Andriamanitra. Ny kristiana mandroso ara-panahy koa dia mahay manavaka, ary manaja ny hafa mbola marefo ao amin’ny Tompo. Tsy ny sakafo ihany fa misy zavatra tsy maintsy leferina manoloana ny hakelin’ny finoan’izy ireny. Mora simba tokoa ny sainy raha tsy mifanaraka amin’izay inoany no hitany ataon’ny hafa, satria mbola tsy voadion’ny Tenin’Andriamanitra ny fieritreretany. Mila hihoarana nefa izay ho an’ny mpino rehetra, ka hijery mandrakariva fa izay noforonin’Andriamanitra dia zava-tsoa avokoa (Genesisy 1.31). Ny zava-dehibe dia ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra : tia Azy, dia lasa tia ny hafa, ka ho feno rakitra sarobidin’ny lanitra izao tontolo izao.