JESOA NO FANANGANANA NY MATY SY FIAINANA
Ny fahafantaran’i Marta an’i Jesoa (17-22, 24). Fomban’ny Jiosy ny mitsapa alahelo sy mampahery ny mana-manjo toy ny nisy teto amin’i Maria sy Marta (Romana 12.15b; 1 Jaona 3.18). Efa maty, efa nalevina mihitsy Lazarosy vao tonga Jesoa. “Raha teto Hianao, hoy Marta, dia tsy maty ny anadahiko.” (21). Fantatr’i Marta mantsy fa tena zava-dehibe loatra ny fanatrehan’i Jesoa. Fa fantany koa fa raha teo Jesoa dia tsy maty Lazarosy satria mahay manasitrana Izy. Fanampin’izany, mino toy ny fariseo Marta fa Jesoa mahay manangana amin’ny maty amin’ny andro farany. Manan-danja amiko ve ny maha eo an’i Jesoa? Iza no fahafantarako an’i Jesoa?
Jesoa nanambara ny tenany tamin’i Marta (23, 25-27). Marihina fa Jesoa tsy mba nanameloka an’i Marta na dia toy ny nanome tsiny sy diso fanantenana tamin’i Jesoa aza izy. Fanampin’izany, Marta nikorontana noho ny fahalasanan’ny anadahiny no nitodihan’i Jesoa voalohany fa tsy Lazarosy namany. Fanambarana mankadiry sy faran-tampony mahakasika an’i Jesoa no nambarany mivantana tamin’i Marta. Jesoa tsy hoe manakana tsy ho faty fa Izy Tenany mihitsy no “fananganana ny maty sy fiainana.” Andriamanitra zato isan-jato Jesoa! Làlana tsy maintsy lalovan’ny zanak’olombelona ny fahafatesana noho ny fahotana (Genesisy 3.19; Romana 5.12; 8.10). Fa ny vaovao mahafaly dia izao: “izay mino an’i Jesoa, na dia maty aza (nofo) dia ho velona indray,” “izay mino an’i Jesoa tsy ho faty mandrakizay.” Tian’i Jesoa ho azon’i Marta fa velona mandrakizay Lazarosy anadahiny ao amin’Andriamanitra.
Fahamarinana: Ny olona manana antoka ny fiainana mandrakizay dia tsy matahotra fahafatesana (Romana 6.23; Hebreo 2.14-15; Jaona 3.36).