Jao 9,31 "Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka Aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.."
Tantara :
Mpandray anjara
Ra-zeroma : mamo lava izy ary mpaniratsira fivavahana
Ravelo : vadiny , ramatoa malemy fanahy
Naivo : zanak'izy ireo , mazoto mamaky Baiboly sady mpianatra Sekoly Alahady no mitondra am-bavaka hatrany ny rainy
Indray andro nanontany rangahy:
- Aona ihany ary 'ty toetr'andro ity , réfa maina dia maina be , rehefa avy ny orana dia milatsaka be, firifiry 'zao ny tetezana tapaka, ny lalana simba, ny traboina ...?
Fa tsy namaly ramatoa vadiny.
Dia hoy indray izy :
- Tokony handoro tanety indray ho'ah ny olona e! Be loatra ny hazo volena etsy sy eroa!!
Fa tsy namaly ihany ramatoa vadiny.
Ary nanohy ihany izy :
- Ilay Andriamanitrareo koa toa manome an-katezerana ka !!! Ataony mamay loatra ny andro, na mangatsiaka be, na avy be ny orana...
Fa hoy ny vadiny :
- Ngah ita e, ny olombelona tsy mba mety hafa-po 'zany.
Ary nitsatsaingoka Naivo zanany :
- Fanahiniany 'zany ry dada ah!! Impiry moa isika olombelona no nomen' Andriamanitra ny tsara , nefa tsy mety mankasitraka...?
Fa tezitra rangahy :
- Mangina teo ialahy!!! Iza moa no niteny hoe mamalia ahy eo?... Masosotra ahy..
Fa hoy kosa Naivo :
- Izaho koa anie ry dada mba sosotra amin'ny ataonao e, raha itanao fa tsara ny toaka sotroinao, maninona raha entinao aty an-tokatrano iarahantsika misotro, fa tsy any amin'ny mangingina ianao no misotro dia mamo vao tonga ato? Sady koa, menatra amin'ny toetranao amin'ny ankizy namako aho. Hoy izy ireo hoe " refa tsy mamo 'lty dadanareo dia Zeroma no anarany, fa rehefa mamo dia Zeromanatody !"
Nitsatoka tao am-pon'ny rainy zany teny izany, Ka nanomboka teo dia nanapak'hevitra ny hiova izy, ary nanaraka an'izy mianaka nivavaka.
Ny an'i Naivo dia valim-bavaka ho azy izany.
Lesona :
Ho antsika : Aoka isika hazoto hivavaka amin' Andriamanitra, ahafahantsika mahazo ny valim-bavaka.