NY FANOLORAN-TENA

Lesona katekomena ataon'nyMpitandrina Ranjakavola ao amin'ny IFR isaky ny sabotsy hariva amin'ny 2:30 ka hatramin'ny 4:00 : Ny Fanoloran-tena

 

NY FANOLORAN-TENA

FAMPIDIRANA

TSY ILAY FOTOANA TOKANA NANOINANTSIKA NY ANTSON’NY TOMPO ka nanolorantsika tena teo imason’ny olona maro IHANY no tian-kolazaina eto, fa indrindra NY TONTOLOM-PIAINANTSIKA miaraka amin’ny Tompo.

FANAZAVANA

Nanomboka teo amin’iny fotoana iny no NIASAN’ANDRIAMANITRA mba «HITERAKA INDRAY» antsika. MIANKINA amin’ny Fanoloran-Tenantsika ny HITOMBOANTSIKA amin’ny TOE-PANAHY araka an’Andriamanitra, marik’ilay «Fahaterahana indray» «OLONA VAOVAO» izany hoe VAO TERAKA INDRAY isika ka mila MITOMBO.

Ny Romana 12.1... dia mampianatra hoe :«atolory ny tenanareo ho FANATITRA velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia FANOMPOM-PANAHY izay hataonareo» izany.
Ny FANATITRA dia natao HOVONOINA, HO LEVONIN’NY AFO <==> ny tenanao izany, ireo mombamomba anao rehetra dia TSY MAINTSY

  • HO «VONOINA» =HOMBOINA eo amin’ny hazofijaliana, ho faty miaraka amin’I Kristy.
  • HO «LEVONIN’NY AFON’ANDRIAMANITRA» dia ilay Fanahy Masina «MPANAVAO» (cf Titosy 3.4-7; Galatiana 5.22-26)

MIARA VOAOMBO eo amin’ny hazofijaliana amin’I Jesoa Kristy: FANTARO IREO «TOETRA RATSY TOKONY IALANA». ATERINAO eo amin’ny Hazofijaliana (Finoana, tsy voatery misy Hazofijaliana). TSAROVY fa avelan’Andriamanitra ireo HELOKAO (ireo toetra ratsinao) ireo.

Io FAMELAN-KELOKA omen’Andriamanitra anao isssso no ANADIOVANY anao ho afaka amin’ireo toetra ratsinao rehetra ireo (cf 1 Jaona 1.7).

TONGA VAOVAO NY FIAINANAO, nefa tsy avy taminao fa «NOMENY» anao. (cf Efesiana 2.8-10)

EKEO ary ny HANOLOTRA ny tenanao MBA HIASAN’NY TOMPO HANAVAO ny fiainanao dia tonga «OLOM-BAOVAO» ianao. (cf 2 Korintiana 5.17)

SAFIDIN’NY TSIRAIRAY fa tsy iombonany amin’ny hafa ity FANOLORAN-TENA ity.

FAMINTINANA

MANARAKA NY« LALAM-PAMONJEN’ANDRIAMANITRA» isika, ka rehefa nandalo ny fahaterahana indray dia tsy maintsy MANOLO TENA mba hitomboantsika amin’ny finoana.