♡FIANGONANA VELONA SY MANDROSO♡ ☆tafahaona eto ny leson’ny KATEKOMENA☆ ●Afaka mamaky io leson’ny Katekomena io isika rehetra, jereo KATEKOMENA FJKM Ankadifotsy● >>>Iza izany Fiangonana VELONA izany ? Ary iza izany Fiangonana MANDROSO izany ? ♡Anio : FIANGONANA VELONA ♡ Ny Fiangonana manana an’Ilay Andriamanitra VELONA ,ILAY LOHARANON’NY FAHAVELOMANA (EKS.3.14), ILAY NANDRESY NY ""TSY FAHAVELOMANA""(=fahafate sana), ILAY NITSANGANA TAMIN’NY MATY no "Fiangonana velona". Fiangonana tsy mahatsiaro ho MIAINA raha tsy mahazo ny Tenin’Ilay Andriamanitra MPAMELONA azy : tsy ny mofo ihany(mofo=vola,materiel,harena) no IVELOMAN’NY OLONA (Fiangona n’ireo izay nalain’ny Tompo ho Olony), fa NY TENY REHETRA IZAY ALOAKY NY VAVAN’ANDRIAMANITRA . Hoy indrindra Ilay Teny tonga Olona : ""...NY TENY IZAY NOLAZAIKO TAMINAREO DIA FANAHY SY FIAINANA.""( Jao.6.63 ) ■Tandremo , sao hisy hampilaza ahy , izay tsy nolazaiko , ka hanao hoe:" tsy mila mihinana intsony , tsy mila miasa intsony !" FA HO TONGA ZAVA-POANA IZAY ISASARANAO RAHA TSY IARAHANAO AMIN’ILAY ANDRIAMANITRA VELONA ! ■SAL.127■ [ hitohy ] Ny Mpitandrina Ranjakavola. FJKM Ankadifotsy.