Ireo sakramenta roa ireo no raisin’ne FJKM ho «FANORENANY ny Finoany an’i Jesoa Kristy», ilay Tompo sy Andriamaniny. Ireo no MAMPIRAY azy amin’ny Fiangonana Protestanta zanaky ny REFORME manerana izao rehetra izao.
- FAMPIDIRANA
ISIKA FJKM araka ny FOTO-DALANA (lois constitutionnelles) dia manana Sakramenta roa, dia ny Sakramentan’ny BATISA sy ny Sakramentan’ny FANASAN’NY TOMPO
- FANAZAVANA
- NY BATISA
Io voambolana batisa io dia noraisina tamin’ny teny grika hoe «BAPTIZO» midika hoe ASOKA ANATY RANO (plonger dans l’eau, immerger).
Fa rehefa nataon’i Jaona batisa i Jesoa, i Jaona izay nilaza fa na dia ny namaha ny fehikapann’I Jesoa aza tsy nahamendrika azy dia TSY SAHY NIKASIKA NY LOHAN’NY TOMPO HANASOKA AZY ao anaty rano fa NANDRAY RANO NATOBANY TEO AMBONINY (asperger l’eau sur le baptisé, baptême par aspersion).
MAHAGAGA FA
- NISOKATRA NY LANITRA
- NIDINA TEO AMBONIN’I JESOA NY FANAHY MASINA
- ARY NISY FEO AVY ANY AN-DANITRA HOE: «INTY NY ZANAKO MALALAKO, IZAY SITRAKO»
HITA FA NANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA IO BATISA NATAON’I JAONA TAMIN’I JESOA IO.
Tsara ho marihana fa MPANOTA ny olombelona rehetra hatrany an-kibon-dreniny (cf Sal 51:5) Ny Batisa anefa dia andraisana Famelan-keloka, k any olombelona rehetra (tsy misy fe-taona)
dia ataontsika FJKM batisa avokoa mba ho voavela heloka izy.
Fa na ny Gen 3:22-24 na ny Isa 59:2 dia samy manambara fa ny OTANTSIKA NO MAMPISARAKA ANTSIKA AMIN’ANDRIAMANITRA. Koa ny BATISA no IVERENANTSIKA MIARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA INDRAY.
TSY MAINTSY AMBARA ETO ilay andraisana ny Fanahy Masina amin’ny fotoanan’ny Batisa hamokatra TOETRA VAOVAO ato amiko VITA batisa io Fanahy Masina io.
Ny Gal 5:22-23 no mitanisa ireo toetra ireo.
Io Fanahy Masina nomen’ny Tompo ahy io dia ambaran’ny II Tim 1:7 fa FANAHY MAHERY sy FITIAVANA ary FAHONONAN-TENA.
Ary ny Batisa no iarahantsika MATY sy MITSANGANA AMIN’NY MATY amin’I Jesoa (cf Rom 6:1-7). Manana ny FIAINAM-BAOVAO isika eto.
TSY HEVITSIKA (conception) olombelona ity Batisa ity, fa ny Sitrapon’Andriamanitra no tanterahintsika, mba ahazoantsika VOKATRA tsara omeny antsika amin’ny alalan’io Batisa io.
- NY FANASAN’NY TOMPO
Ny Baisa no Sakramenta voalohany EKENTSIKA FJKM ho «fidirana ho isan’ny vahoakan’ny Fanjakan’ny Lanitra». Fa ny Fanasan’ny Tompo kosa no Sakramenta faharoa sady FARANY ho antsika; TONGA FIANGONAN’I JESOA KRISTY isika amin’izany.
Ny I Kor 11 :23-26 no nampianaran’ny Apostoly Paoly ny amin’ity Fanasan’ny Tompo ity.
- NY MOFO «Marika iondran’I Jesoa ny mombamomba antsika rehetra ao amin’ny Tenany ity mofo ity» dia ireo fahalementsika, fahotantsika… nentiny naira-maty taminy teo amin’ny Hazofijaliana ireo; IANAO kosa MANDRAY ao amin’ny tenanao ny MAHA IZY AZY ny Tompo
- NY DIVAY«marika manambara ny Ran’I Jesoa nalatsany ho FAMELAN-KELOKA ho antsika ity». Ny I Jao1:7 no manambara fa« ny Ran’I Jesoa Zanany no MANADIO antsika ho afaka amin’ny OTA rehetra».
MARIHO TSARA FA ny Apostoly Paoly dia milaza mazava ny hoe I Kor 11:23-27 ny Fiangonana TENAN’I KRISTY no TANDROVANA fatratra amin’ny Fihavanantsika (firaisan-kina sy firaisan’aina) ka MIFAMELA HELOKA isika.
- FAMINTINANA
Ireo sakramenta roa ireo no raisin’ne FJKM ho «FANORENANY ny Finoany an’i Jesoa Kristy», ilay Tompo sy Andriamaniny.
Ireo no MAMPIRAY azy amin’ny Fiangonana Protestanta zanaky ny REFORME manerana izao rehetra izao.