NY ATAO HOE OLOMBELONA ARAKA NY SORATRA MASINA Genesisy 2 : 7-25
Ny olombelona dia:
- Vovo-tany (matière première) nofofoina fofon’aina mahavelona, AINA nomen’Andriamanitra
« Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoiny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy» Genesisy 2 : 7
- Zava-manan’aina nomena izay rehetra ilainy ivelomany izany hoe tsy namorana na inona na inona izy ;
«Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te hizaha sady tsara ho fihinana » Genesisy 2 : 9a
- Natao hiasa fa tsy natao hitomoemoe-poana satria izay no mamaritra ny maha olona azy ary koa natao hitandrina sy hikolo ireo zava-drehetra nomen’Andriamanitra azy fa tsy hanapotika izany
« Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy» Genesisy 2 : 15
- Nomena SAFIDY (volonté de l’homme), ny safidy dia mahery noho Andriamanitra satria Izy dia tsy afa-manohitra rehefa izay no tadiavin’ny olona
« Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana, fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao »Genesisy 2 : 16-17
- Nomen’Andriamanitra vady sahaza, araka izany dia tsy natao ho tadiavina ny vady fa omen’Izy Tompo ary Izy ihany no mahalala ny fotoanao ka tokony hatoky tanteraka Azy ; mba hahatanterahana izany dia tsara raha mifankazatra tsara Aminy mba hahay hiaino ny feony rehefa ho tonga ilay fotoana nomaniny . Ny vady tsy hafa fa ny tena ihany izany hoe iray saina (la conception des choses), iray hevitra izany hoe mifanakalo hevitra mba hanana fomba fijery mitovitovy, iray finoana mba ho afaka hifanakalo sy hifampahery, ary iray nofo. Ary eo amin’ny mpivady dia tokony tsy hisy zava-miafina (transparence) mba haharitra ny fiarahana .
«Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe : tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako vady sahaza ho azy »Genesisy 2 : 18
« iizay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa sady mahita sitraka amin’I Jehovah» Ohabolana 18 : 32
«Manam-bady va ianao?Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady » 1 Korintiana 7 : 27
«Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy» 1 Korintiana 7 : 4
«Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana» Ezekiela 16 : 8a