Ny nanotan’I Adama sy Eva
Ny fototra iaingana dia ny maha-mpanota ny olombelona.
Naka ny endriky ny menarana devoly raha izy naka fanahy ny olombelona. Nodisoiny ny Tenin’Andriamanitra mba ahafahany mahafantatra izay tena izy satria Adama no
niresahan’Andriamanitra fa tsy izy (prècher le faux pour savoir le vrai); Genesisy 2:16-17:io ilay safidy nomen’Andriamanitra ny olona, ka io safidy io mihitsy no voavilin’I satana tamin’ny nihinanandravehivavy ny voankazo voarara.
- Tsy nanaiky ny Tenin’Andriamanitra izy (transgresser la loi de Dieu) ka izany no antsoina hoe OTA
Tsy misy olombelona minia manota fa ao ambadika ao hatrany i satana mamporisika azy ka raha tsy miambina tsara dia ho azony mora foana. Fomba fiasan’I satana (système de tentation de Satan):
Notairiny ny saina(raisonnement)satria ny olona dia mpanao kajikajy sy be fiheverana
↓
Notairiny ny maso :hahita ilay hazo teo afovoan’ny saha
↓
Mihetsika ny tongotra
↓
Maninjitra ny Tanana
↓
Mihinana ny vava
Raha misy olona milaza zavatra aminao ka toa heverinao fa mitombona satria hainy ny mandaha-teny, aza maika ny handray izany ho marina fa miverena ao amin’ny Baiboly izay misy ny Tenin’Andriamanitra izay tsy handainga na hamitaka mihitsy.
Ireo vokatry ny safidy:
- Mifanameloka ny olona, samy manadio ny tenany fa tsy misy miaiky ny fahadisoany (c’est toujours la faute aux autres)
- Voaozona devoly: nohitsahin’I Jesoa teo amin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty ny andro fahatelo ny lohan’ny devoly. Io no nanokatra ny lalana makany Edena indray(genesisy 3:24) accès à Eden↔accès à la vie
Jaona 19 : 34 :«fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy rà sy rano nandeha»
Ny rà ↔ ny fanasan’ny Tompo; Ny rano↔ny batisa
Izany no mahatonga an’ireo ho Sakramenta ekena sy raisin’ny Fiangonana FJKM.
Jaona 14:6:«Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;tsy misy olona mankany amin’ny
Ray afa-tsy amin’ny alalako»
Hebreo 9:22: «ary saiky diovina amin’ny rà avokoa ny zavatra rehetra arak any lalàna; far aha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka»
- Mijaly ny olombelona amin’ny fiainany(genesisy3: 16-19) kanefa na dia izany aza rehefa tafahavana indray amin’Andriamanitra (mibebaka) dia matokia fa Izy tsy hamela ny zanany hijanona ao anatin’ny fahoriana.
I Jesoa no nandatsaka ny rany ho an’ny olona noho ny fahotany, noho izany mahazo miverina ao amin’ny Saha Edena ny olona, ny ANJARANTSIKA olombelona dia ny MANDRAY IZANY FAMONJENA natolony ho antsika.
Matio 7:7:«mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo»