
MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA
« Izany no iravoravoanareo na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakampanahy maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy misy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (Izy tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra amin’ny afo aza) amin’ny isehoan’I Jesoa Kristy » I Pet. 1 :6-7
« Tsy maintsy misy ny fakampanahy, nefa izay fakampanahy zakantsika ihany no avelan’ny Tompo ampiharin’ilay mpaka fanahy amintsika ». I Kor. 10 :13
Fa tsarovy :
- Ny fakampanahy (zakantsika, resintsika, ho tonga ho fizahantoetra ny finoantsika, ka arakarak’izay ahazakantsika ilay fizahan-toetra izay ; no « mampitombo sy mampiorina ny finoantsika » !
- Koa mahereza sy mahatanjaha, aza mety ketraka amin’ireo fizahantoetra, fa tsy manary sy mandao anao akory ny Tompo !
- I Jesoa Kristy efa nandresy ilay mpaka fanahy no momba sy mampandresy anao koa !
Amen.
Ny mpitandrina Ranjakavola