Finaritra Volana Septambra 2023

Mpitandrina RAVALOSON

Finaritra

"MITORIA TENY AMIN'NY FIRENENA REHETRA"

Ry Havana Malala

Arabaina tojo soa, izao volana septambra izao. Iny volana Aogositra nodiavintsika iny dia volana tena fanovozam-kery, sy fahalalana ary fanamafisana orina ny finoana. Hibanjina lohahevitra vaovao indray isika mandritra ity volana dia ny hoe :" MITORIA TENY AMIN'NY FIRENENA REHETRA".Fanatanterahana ny BAIKO HENTITRA, nomen'ny Tompo antsika fiangonana izay dia ny HANDEHA sy HITORY NY FILAZANTSARA AMIN'NY OLOMBELONA REHETRA. Izao tontolo izao izany hoe ny firenena rehetra na sehatra hitoriana ny filazantsara. Tsy tokony hijanona ho teny filamatra fotsiny izay fa tena antom-pisian'ny fiangonana mitaky fanatanterahana. Mba fantatrao ve ry fiangonana ô ! Ny maha izy azy anao, fa nantsoin'nyTompo ho Iraka izany hoe APOSTOLIKA isika. Mazava ny filazan'ny Apostoly Petera azy hoe:"Olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavana mahagaga IPet 2:9. Manamafy izay ilay Iraka lehibe nanafaran'ny Tompo ny mpianany hoe" Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany,koa mandehana hianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiko anareo. "Mat 28:18-20.

Tena lakolosy fanairana antsika izao lohahevitra izao mba ho fitaomana antsika tsy ho mpitazana, na mampirisika na ho mpitsikera fotsiny izany fa tena ho mpiantsehatra eo amin'ny asa fanompoana sy ny fitoriana ny filazantsara. Maro ny sehatra afahantsika mandray anjara eo amin'ny asa fanompoana ato amin'ny fiangonana. Ao ireo sampana sy rantsana ao aminy, ny fikambanana, ireo vaomiera, ireo sampan'asa samihafa. Sehatra afahantsika misafidy mba ahazoanao mampiasa sy mampitombo ireo fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra antsika avokoa izay, "fa samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an'Andriamanitra" I Pet 4:10.

 Ry Fiangonana Malala, aza hadinoina fa nantsoin'ny Tompo fantsom-pitahiana sy famonjena ho an'ny hafa isika, mpitory vaovao mahafaly koa ao ho teny mamy, mamelona mampahery ho an'ny hafa ny rehetra izay aloaky ny vavantsika sy ny fihetsika rehetra ataontsika fa tsy ho sanatria hitondra fandratrana, na alahelo na ho fahakiviana sy fahadisoam-panantenana ho an'ny hafa. Mpitondra teny soa mahafaly no niantsoan'nyTompo sy nifidianany antsika. Meteza hitory ny tenin'Andriamanitra. Araraoty ny fotoana sy ny sehatra ahatonga antsika ho mpizara ny tenin'Andriamanitra.

 Manana iray volana indray isika hakantsika ireo toromarika samihafa tokony hofantatra sy ho fanovantsika hery ho tena mpiantsehatra tokoa. Tsarovy ary havana fa mpandrindra sy mpanentana, mpananatra fotsiny ny AFF eto amintsika fa isika fiangonana manontolo no tena AFF mpiantsehatra eo amin'ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Mahereza ary ry Havana ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany koa tanteraho ny fanompoanao.

Ny mpitandrina Ravaloson